1Joany 1 - Malagasy Catholic Bible

Sasin-tenyNy Teny tonga nofo: fomba ifandraisana amin’ny Ray sy ny Zanaka

1Izay efa nisy hatramin’ny voalohany, sy efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nodinihinay, ary efa notsapain’ny tananay, dia ny Teny fiainana; -

2fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelony izahay, ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray sy naseho taminay. -

3eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa, mba hanananareo fikambanana aminay koa; ary ny fikambananay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany.

4Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo.

IMandeha ao amin’ny Fahazavana

5Izao no teny renay taminy, sy ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy misy haizina akory ao aminy.

6Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina.

7Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.

Antoka voalohany: miala amin’ny fahotana

8Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina.

9Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.

10Raha milaza antsika ho tsy nanota isika, dia mampandainga Azy isika, ary tsy ao anatintsika ny teniny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help