1Raha efa izany, nitoetra teo an-dapa i Mardokea, niaraka tamin’i Bagatàna sy i Taresa; samy eonòkan’ny mpanjaka sy mpiambina ny vavahadin-dapa izy roa lahy.
2Nony hitan’i Mardokea ny hevitr’izy ireo sy takany ny fikasany, fantany fa nikasa hamono an’i Asoerosy mpanjaka izy ireo, ka nandefa filazana izany tamin’ny mpanjaka izy.
3Dia nasainy nampijaliana izy roa lahy eonòka, hilaza ny marina, ary noho ny fieken’ireo dia nalefany hovonoina izy.
4Nasain’ny mpanjaka nosoratana tao amin’ny boky Tantara izany zavatra izany, ary nalatsak’i Mardokea an-tsoratra koa ny fahatsiarovana azy.
5Ny mpanjaka nanapaka fa hanao raharaha ao an-dapa izy sy nanolotra fanomezana ho azy noho ny fiampangany.
6Fa i Amàna kosa, ilay zanak’i Amadatà, avy any Agaga, dia nahazo voninahitra lehibe ao amin’ny mpanjaka, ka nitady hamono an’i Mardokea mbamin’ny fireneny, noho izy roa lahy eonòkan’ny mpanjaka.
Didy mampandringana ny Jody. Vavak’i MardokeaVakina manarakaraka ny toko 3,13
Izao no kôpian’io taratasy nampitondraina io:
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.