Bokin’i Daniela 2 - Malagasy Catholic Bible

NY NOFIN’I NABOKODONOZORAILAY SARIVONGANA VITA AMIN’NY ZAVATRA SAMY HAFA

1Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nabokodonozora, nanonofy i Nabokodonozora, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita tory intsony izy.

2Nampanalain’ny mpanjaka ny mpahay taratasy, ny mpisikidy, ny mpimasy, ary ny Kaldeanina, hivaofy ny nofiny aminy; dia tonga ireo, ka nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka.

3Ary hoy ny mpanjaka tamin’izy ireo: «Nanonofy aho, ka nitebiteby ny fanahiko, te-hahalala izany nofy izany.»

4Namaly tamin’ny teny arameanina ny Kaldeanina, nanao tamin’ny mpanjaka hoe: «Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao! Lazao amin’ny mpanomponao ny nofy, dia hambaranay kosa ny heviny.»

5Ary namaly ny Kaldeanina ny mpanjaka, ka nanao hoe: «Zavatra efa notapahiko izao: Raha tsy ampahalalainareo ahy ny nofy sy ny heviny, ny tenanareo hotetehina, ny tranonareo hatao fanarian-java-maloto.

6Fa raha ambaranareo amiko kosa ny nofy sy ny heviny, dia fanomezana amam-panatitra lehibe no horaisinareo amiko; koa ambarao amiko ny nofy sy izay heviny.»

7Namaly fanindroany izy ireo, nanao hoe: «Aoka ny mpanjaka hilaza amin’ny mpanompony ny nofy; ary izahay kosa hanambara ny heviny.»

8Dia namaly ny mpanjaka nanao hoe: «Fantatro marimarina fa mitady hahazo andro lava ianareo, satria hitanareo fa zavatra efa notapahiko izany.

9Matoa tsy ampahalalainareo ahy ny nofy, dia ny miara-mamoron-dahateny mandainga sy mamitaka, hataonareo eo anatrehako, mandra-piovan’ny toe-draharaha, no hany hevitrareo; ka ambarao ahy ny nofy dia ho fantatro fa hahalaza ny heviny amiko tokoa ianareo.»

10Fa izao no navalin’ny Kaldeanina, teo anatrehan’ny mpanjaka nataony hoe: «Tsy misy olona atỳ ambonin’ny tany, izay mahazo mampahafantatra izany fanontanian’ny mpanjaka izany. Ka tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nanontany zavatra toy izany tamin’ny mpahay taratasy ama-mpisikidy na Kaldeanina.

11Sarotra ny zavatra anontanian’ny mpanjaka, ka tsy misy afaka hanambara eo anatrehan’ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra tsy manam-ponenana etỳ amin’ny olombelona.»

12Tamin’izay, tezitra sy nisafoaka mafy ny mpanjaka, ka nasainy novonoina avokoa ny olon-kendrin’i Babilôna.

13Navoaka ny didy, ka novonoina ny olon-kendry, ary notadiavina hovonoina koa i Daniela sy ny namany.

Teny nataon’i Daniela

14Dia nivoaka i Ariòka, lehiben’ny mpiambin’andriana, hamono ny olon-kendrin’i Babilôna, ka teny feno fahamalinana sy fahalalana no navalin’i Daniela azy.

15Niteny izy ka nanao tamin’i Ariòka komandin’ny mpanjaka hoe: «Inona no anton’ity teny fitsarana mafy avy amin’ny mpanjaka?» Dia nolazalazain’i Ariòka taminy ny toe-javatra.

16Ary niditra nangataka andro tamin’ny mpanjaka i Daniela mba hilazany ny hevitry ny nofy amin’ny mpanjaka.

17Niaraka tamin’izay dia nody tany an-tranony i Daniela ary nampandre ny raharaha an’i Ananiasa sy i Misaely ary i Azariasa namany,

18sady namporisika azy ireo hangataka ny famidram-pon’ny Andriamanitry ny lanitra, ny amin’izany zava-miafina izany, mba tsy hamonoana an’i Daniela sy ny namany miaraka amin’ny olon-kendry hafa ao Babilôna.

19Dia naseho an’i Daniela tamin’ny fahitana amin’ny alina, ilay zava-miafina, ka nisaotra ny Andriamanitry ny lanitra i Daniela.

20Niloa-bava i Daniela ka nanao hoe: «Hisaorana mandrakizay anie ny Anaran’Andriamanitra, fa Azy ny hery amam-pahendrena.

21Izy no mampiova ny andro amam-potoana, manongana ny mpanjaka sy manangana ny mpanjaka, manome fahendrena ny olon-kendry, sy fahalalana ho an’ny mazava saina.

22Izy no mampiseho ny zava-dalina sy miafina, mahalala ny ao anatin’ny haizina, ary ao aminy no itoeran’ny mazava.

23Ianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no ankalazaiko sy deraiko, fa nomenao hery amam-pahendrena aho ary nampahafantarinao ahy ankehitriny ny zava-nangatahinay, ka nasehonao taminay ny zava-miafin’ny mpanjaka.»

24Ka dia lasa i Daniela nankao amin’i Ariòka, ilay nasain’ny mpanjaka namono ny olon-kendrin’i Babilôna; nandeha izy ka nanao taminy hoe: «Aza mamono ny olon-kendrin’i Babilôna, fa ento aho ho eo anatrehan’ny mpanjaka, hanambara aminy ny hevitry ny nofiny.»

25Dia nentin’i Ariòka faingana i Daniela hiditra ho eo anatrehan’ny mpanjaka, ka hoy izy taminy: «Nahita olona tamin’ireo babo avy any Jodà aho, hilaza ny hevitry ny nofy amin’ny mpanjaka.»

26Niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin’i Daniela, izay atao hoe Baltasara, hoe: «Hainao ambara amiko va ny nofy nofisiko mbamin’ny heviny?»

27Dia namaly teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela, ka nanao hoe: «Ny zava-miafina anontanian’ny mpanjaka, dia tsy hain’ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny olo-mahay taratasy, na ny mpanandro ambara amin’ny mpanjaka.

28Kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, izay mahay maneho ny zava-miafina; ary Izy mampahafantatra an’i Nabokodonozora ny tsy maintsy ho tonga any am-paran’ny andro any. Ny nofy amam-pahitanao teo am-pandrianao dia izao:

29Ianao, ry mpanjaka ô, teo am-pandrianao, dia velona eritreritra tao an-tsainao, ny amin’izay ho avy manaraka izao andro izao; ary ilay mahay maneho ny zava-miafina kosa, nampahafantatra anao izay ho avy.

30Ary izaho kosa, tsy tamin’ny fahendrena ato amiko, mihoatra noho ny an’ny olombelona rehetra, no nahitako izany zava-miafina izany, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka, ny hevitry ny nofy, sy hahalalanao ny hevitry ny fonao.

31Ianao nijery, ry mpanjaka ô, ka indro nisy sariolona lehibe. Tena makadiry izany sariolona izany, sady namirapiratra mahagaga; nijoro teo anatrehanao izy io, ary mahatsiravina ny fijery azy.

32Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany; volafotsy ny tratrany aman-tsandriny; varahina ny kibo amam-peny;

33vy ny ranjony, ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany.

34Mbola mijery eo ianao no indro, nisy vato niendaka tsy nokasihin-tanana, namely ity sariolona tamin’ny tongony vy aman-tanimanga, ka nahatorotoro azy.

35Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy mbamin’ny volamena, sady nanjary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra, ka nopaohin’ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany; ary ilay vato namely ny sariolona kosa, zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra.

36Izany no nofy; ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.

37Ianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka, izay nomen’ny Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana, ny fahefana, ny hery amam-boninahitra,

38sy notolorany ny zanak’olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron’ny lanitra, na aiza na aiza itoerany, ary nasainy nanjaka tamin’izy rehetra, dia ianao no loha volamena.

39Manarakaraka anao, hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho ianao; manaraka izany, hisy fanjakana fahatelo, ho varahina, izay hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.

40Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy; fa toy ny manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra, toy ny fanorotoron’ny vy ny zavatra rehetra, no hanamongoany sy hanorotoroany an’ireo rehetra ireo.

41Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony, ho tanimangan’ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany, dia satria ho fanjakana mizarazara izy; hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga.

42Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany, dia ho fanjakana mafy ila sy malemy ila, izy.

43Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga dia satria ho fifangaroan’ny taranak’olombelona, izy; nefa toy ny tsy fetezan’ny vy hiharo amin’ny tanimanga no tsy hifampitambarany.

44Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin’ny firenen-kafa ny fanapahany; ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany, fa izy kosa haharitra mandrakizay,

45araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihin-tanana, tamin’ny tendrombohitra, ka nahatorotoro ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin’ny volamena.

Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka izay ho avy rahatrizay; marina ny nofy, ary tsy misy isalasalana ny heviny.»

Fiekem-pinoan’ny mpanjaka

46Tamin’izay i Nabokodonozora rafitra nihohoka sy niankohoka teo anatrehan’i Daniela sady nandidy hanolotra fanatitra aman-java-manitra taminy.

47Dia niteny tamin’i Daniela ny mpanjaka, ka nanao hoe: «Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa nahay nanambara izany zava-miafina izany ianao.»

48Tamin’izany ny mpanjaka dia nanandratra an’i Daniela sy nanolotra fanomezana maro sady sarobidy ho azy, nanome azy ny fanapahana ny faritany rehetra momba an’i Babilôna, ary nanendry azy ho lehibe indrindra amin’ny olon-kendrin’i Babilôna rehetra.

49Noho ny fangatahan’i Daniela, dia nanendry an’i Sidràka sy i Misàka ary i Abdenegao ny mpanjaka, ho tonian’ny raharaha amin’ny fehin’i Babilôna, ary i Daniela nijanona tao an-dapa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help