Ezekiela 1 - Malagasy Catholic Bible

TENY MIALOHA

1Ary tamin’ny taona faha-30, volana fahefatra, raha teo amin’ireo babo, teo amoron’ny ony Kobara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy amin’Andriamanitra aho.

2Tamin’ny andro faha dimin’ny volana nahababo an’i Joasina, mpanjaka tamin’izay,

3- tonga tamin’i Ezekiela zanak’i Bozì, mpisorona, ny tenin’i Iaveh, tany amin’ny tanin’ny Kaldeanina, amoron’ny ony Kobara, ary mby teo aminy teo ny tanan’i Iaveh.

Fahitana ilay «Fiaran’i Iaveh»(Jereo Ezek 10; Apôk 4)

4Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe, aman’afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.

5Ary hitako teo afovoany, ny endri-java-manana aina efatra, ka toy izao no fijery azy: miendrika olombelona izy.

6Samy nanan-tarehy efatra ary samy nanana elatra efatra avy izy.

7Mahitsy ny tongony, ary toy ny faladian’ny zanak’omby ny faladiany, sady nanjelanjelatra hoatra ny varahina voadio ireo.

8Nisy tanan’olona avy teo ambanin’ny elany, amin’ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tavany aman’elany avy, izy efatra.

9Nifanendry ny elany; tsy nihodina izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin’izay hitsiny avy.

10Izao avy no notahafin’ny tarehiny: ny anoloana tarehin’olombelona, ny ankavanana tarehin-diona, azy efatra; ny ankavia tarehin’ombalahy, azy efatra, ary tarehim-boromahery azy efatra.

11Toy izany ireo tarehiny. Nivelatra teo amboniny, ny elatr’izy ireo; ka ny elany roa avy nifanendry tamin’ny an’ny namany; ary ny elany roa kosa, nanarona ny tenany.

12Samy nizotra tamin’izay hitsiny avy izy; izay nasain’ny fanahy naleha no nalehany; tsy nihodina izy raha nandeha.

13Ny fijery an’ireo zava-manana aina ireo, dia tahaka ny vainafo mivaivay; hoatra ny fanilo no fijery azy; mifanaretsaka eny anelanelany eny ny afo, mampanjambena; sady misy tselatra mivoaka avy ao amin’ny afo.

14Ary nivoivoy nankatsỳ nankarỳ ireo zava-manana aina ireo, tahaka ny tsela-baratra no fijery azy.

15Dia nibanjina ireo zava-manana aina ireo aho, ka indro nisy kodiarana anankiray teo amin’ny tany, teo anilany, anoloan’ny tavany efatra.

16Ka ny fijery an’ireo kodiarana ireo, sy ny tarehiny, dia tahaka ny an’ny vaton’i Tarsisa, ary sahala daholo izy efatra; ny fijery azy aman-tarehiny dia hoatra ny kodiarana itsofohan-kodiarana hafa ao afovoany.

17Raha mandeha izy, dia mizotra tandrifin’ny lafiny efatra, sady tsy miherika eny am-pandehanany.

18Avo mahatsiravina ny hazo faribolany, sady feno maso avokoa ny manodidina ny faribolan’ireo kodiarana efatra ireo.

19Raha nandeha ireo zava-manana aina, nandeha teo anilany koa ireto kodiarana; raha misondrotra avy amin’ny tany ireo zavatra ireo, misondrotra koa ny kodiarana.

20Izay nasain’ny fanahy alehany, no nalehan’izy ireo; fa naingain’ny fanahy izy; ary niara-niainga taminy koa ireto kodiarana; satria tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zava-manana aina.

21Ka raha mandeha ireo, mandeha ireto; raha mijanona ireo, mijanona ireto; ary raha misondrotra avy amin’ny tany ireo, misondrotra koa ireto kodiarana; satria tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zava-manana aina.

22Teo ambonin’ny lohan’ireo zava-manana aina ireo, nisy tahaka ny andohalambo miendri-kristaly mamirapiratra, mivelatra teo ambonin’ny lohany.

23Ka teo ambanin’io andohalambo io ny elany no nivelatra nifanendry, sady nanana elatra roa avy koa nanarona ny tenany teo an-daniny avy.

24Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikopakopaky ny elany, ka toy ny firohondrohon’ny rano be, tahaka ny feon’ny Tsitoha, fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin’ny toby; nony nijanona izy, dia avelany milefitra ny elany.

25Ary nisy naneno re avy ao amin’itsy andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany; nony mijanona izy, dia navelany hilefitra ny elany.

26Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.

27Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin’izay niseho ho tahaka ny valahany no ho miakatra; ary hatramin’izay niseho ho toa valahany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy.

28Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help