Jeremia 19 - Malagasy Catholic Bible

Siny vaky sy fifandonana tamin’i Fasora

1Izao no voalazan’i Iaveh: Mandehana mividy tany ho anao; ary ento hiaraka aminao,

2ny loholona amin’ny vahoaka, sy ny loholona amin’ny mpisorona, dia mivoaha ho any amin’ny lohasahan’i Ben-Hinômaizay ao amin’ny fidiran’ny vavahadin’ny Fanefem-bilany, ka torio eo ny teny holazaiko aminao.

3Ataovy hoe:

Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo,

mpanjakan’i Jodà sy mponina ao Jerosalema.

Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Indro hoentiko ho amin’ity fitoerana ity ny loza

hampangintsingintsina ny sofin’izay mandre azy:

4satria izy ireo efa nahafoy ahy,

sy nanova fenitra ity fitoerana ity,

fa nanatitra emboka manitra teto, ho an’ny andriamani-kafa,

izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan’i Jodà;

sady efa nameno ran’ny tsy manan-tsiny, an’ity tanana ìty.

5Nanorina ireo fitoerana avo ho an’i Baala izy,

handoroany ny zanany amin’ny afo

ho sorona dorana ho an’i Baala.

Zavatra tsy nandidiako na nolazaiko akory anefa izany;

na mba niditra tao an-tsaiko velively.

6Noho izany indro tamy ny andro,

- teny marin’i Iaveh, -

tsy hiantsoana ity fitoerana ity intsony hoe:

Tôfeta na lohasahan’i Ben-Hinôma

fa hoe lohasaha famonoana kosa.

7Hofoanako amin’ity fitoerana ity

ny fisainan’i Jodà sy i Jerosalema;

hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony izy,

sy amin’ny tanan’ireo nitady ny ainy;

ary ny fatiny homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany.

8Ary ity tanàna ity dia hataoko

zavatra figagàna sy fihomehezana;

ka na iza na iza handalo akaiky azy, hitolagaga,

sady hihomehy noho ny fahamangànana rehetra mahazo azy.

9Hataoko mihinana ny nofon’ny zanany lahy

sy ny nofon’ny zanany vavy izy;

ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy;

fa latsaka an-katerena amam-pahoriana mafy izy

azon’ny afitsoky ny fahavalony

sy izay mitady ny ainy azy.

10Raha efa izany, montsàny eo imason’ireo olona tafaraka aminao ny siny,

11ka lazao aminy hoe:

Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika:

Homontsaniko ity firenena sy ity tanàna ity,

toy ny fanamòntsana ny vilanin’ny mpanefy,

izay tsy azo atambatra intsony;

ka any Tôfeta no handevenana

noho ny tsy fisian’ny tany handevenana.

12Izany no hataoko amin’ity firenena ity,

- teny marin’i Iaveh, - sy amin’ny mponina ao aminy,

rehefa hataoko tahaka an’i Tôfeta ity tanàna ity.

13Ny trano ao Jerosalema

sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà,

ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto;

dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony,

ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra

sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.

14Tonga avy any Tôfeta, izay nanirahan’i Iaveh haminaniany i Jeremia, ka dia nitsangana teo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh ary nilaza tamin’ny vahoaka rehetra hoe:

15«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’ity tanàna ity, sy amin’ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help