1Sitrako ny mankalaza Anao, ry Andriamanitro Mpanjaka ô,
sy ny misaotra ny Anaranao mandrakizay doria.
Bet2Sitrako ny misaotra Anao isan’andro,
sy ny mankalaza ny Anaranao mandrakizay doria!
Gimel3Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra,
ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!
Dalet4Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy
ny fiderana ny asanao;
hitory ny fahagagana nataonao ny olona.
He5Hihira ny famirapiratan’ny fiandriananao be voninahitra aho,
sy ny asanao mahagaga.
Vao6Horesahin’ny olona ny herinao mahatahotra;
ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.
Jain7Hambaran’ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra,
ary hankalazainy ny fahamarinanao.
Het8Mamindra fo sy miantra i Iaveh,
ary mahari-po sy feno hatsaram-po.
Tet9Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh,
ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Iôd10Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh,
ary misaotra Anao ny mpino Anao.
Kaf11Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy,
ary mitory ny fahefanao;
Lamed12mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga,
sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
Mem13Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao,
ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.
Samek14Manohana an’izay rehetra lavo i Iaveh,
ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.
Ain15Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra,
ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy.
Fe16Sokafanao ny tananao,
dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.
Tsade17Marina amin’ny lalany rehetra i Iaveh,
ary mamindra fo amin’ny asany rehetra.
Kôf18Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh,
dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Resh19Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy,
mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
Shin20Miambina izay rehetra tia Azy i Iaveh,
ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra.
Tao21Aoka ny vavako hitory fiderana an’i Iaveh,
ary ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany masina
mandrakizay doria!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.