1Avia hihira amim-piravoravoana ho an’i Iaveh!
Manaova hobim-pifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika!
2Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana;
aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika.
3Fa i Iaveh Andriamanitra lehibe,
mpanjaka lehibe, ambonin’ireo andriamanitra rehetra.
4Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany,
ary azy ny tampon’ny tendrombohitra.
5Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy;
mbamin’ny tany koa, fa ny tanany no namorona azy.
6Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika;
mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika.
7Fa Izy no Andriamanitsika,
ary isika dia vahoaka eo am-balany,
andian’ondry entin’ny tanany.
A! raha mba mihaino ny feony mantsy ianareo anio!
8Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà,
tahaka ny tamin’ny andro tao Masà, tany an’efitra,
9izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy,
sy nizahany toetra Ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.
10Nandritra ny efapolo taona aho monain’izany taranaka izany,
ka nanao hoe: «Vahoaka manana izay fo mania izy,
ary tsy nahalala ny lalako.»
11Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe:
«Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.