Salamo 120 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 120 (Volgata 119)Ireo fahavalon’ny fiadanana

1Fihirana fiakarana

Tao anatin’ny fahoriako nitaraina

tamin’i Iaveh aho, dia nohenoiny.

2Iaveh ô, vonjeo ny fanahiko amin’ny molotra mandainga,

amin’ny vava fetsy ratsy.

3Homena inona sy hahazo vokatra inona ianao,

ry lela mpamadika?

4Zana-tsipìka maranitry ny Mahery,

mbamin’ny vain’afon’anjavidy.

5Endrey, ity manjò ahy mitoetra eto amin’i Meseka,

sy monina atỳ an-dain’i Sedara!

6Ela loatra no niarahako nitoetra

tamin’izay mankahala ny fivavahana.

7Olona tia fivavahana aho, nefa nony niteny amin’izay ireo

dia ny ady no alehan’ny sainy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help