Salamo 122 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 122 (Volgata 121)Fiarahabana an’i Jerosalema

1 Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.

Nahazo hafaliana aho raha nilazana hoe:

«Andeha isika ho any an-tranon’i Iaveh!»

2Indro fa tapitra ny dianay

eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.

3Ry Jerosalema, ianao voaorina toy ny tanàna,

izay iraisan’ny zavatra rehetra.

4Ao no iakaran’ny foko,

dia ny fokon’i Iaveh,

araka ny lalàn’i Israely,

mba hidera ny Anaran’i Iaveh.

5Voapetraka ao ny seza fitsarana,

dia ny sezan’ny fianakavian’i Davida.

6Manaova fanirian-tsoa ho an’i Jerosalema:

ho sambatra anie ilay tia anao!

7Hanjaka ao anatin’ny mandanao anie ny fiadanana,

ary ao an-dapanao ny fanambinana.

8Noho ireo rahalahiko aman-tsakaizako,

dia mangataka fiadanana ho anao aho,

9Noho ny tranon’ny Andriamanitsika,

dia maniry fahasambarana ho anao aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help