Ezekiela 15 - Malagasy Catholic Bible

Fanoharana amin’ny foto-boaloboka(Jereo Iz 5,1)

1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2Ry zanak’olona,

Inona no ihoaran’ny tahom-boaloboka,

noho ny tahon’ny hazo hafa rehetra,

noho ny rantsan-kazo

izay isan’ireo hazo any an’ala?

3Moa mba fangalàn-kazo, hanaovan-javatra va izy?

Na mba fangalana hombo hanantonan-javatra akory?

4Atao ao anaty afo izy, holevoniny,

dia levon’ny afo ny laniny roa;

may koa ny tenantenany;

ka azo atao inona indray izy?

5Fony mbola tsy nahafahana aza izy,

tsy azo nanaovana na inona na inona;

ka mainka rehefa kila sy main’ny afo,

ho azo atao inona intsony?

6Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

toy ny tahom-boaloboka any amin’ny hazo an’ala,

izay hazo atolotra ho levon’ny afo,

no hanolorako ny mponina ao Jerosalema.

7Hitodika hanandrina azy ny Tavako;

afa-nandositra ny afo izy, nefa levon’ny afo ihany indray;

dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho,

rehefa atodiko hanandrina azy ireo ny Tavako.

8Ary ataoko zary efitra ny tany,

noho izy ireo nivadika;

- teny marin’i Iaveh Tompo. -

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help