1 Fihirana nataon’i Asafa.
Eo amin’ny fiangonan’ny Tsitoha, Andriamanitra;
namoaka ny teniny eo afovoan’ireo andriamanitra izy:
2Mandra-pahoviana no hanaovanareo fitsarana tsy marina?
3Omeo ny rariny ny mahantra sy ny kamboty,
omeo ny hitsiny ny ory sy ny malahelo.
4Vonjeo ny fadiranovana sy ny tsy manana,
afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izy.
5Tsy manam-pahaizana na hazavan-tsaina ireny,
fa mandeha amin’ny maizina;
mihorohoro ny fanambanin’ny tany rehetra.
6Hoy aho: «andriamanitra ianareo,
zanaky ny Avo indrindra avokoa ianareo.»
7Kanefa ho faty tahaka ny olona ihany ianareo;
ho lavo tahaka izay andriandahy na iza na iza.
8Mitsangàna, ry Andriamanitra ô, tsarao ny tany,
fa Anao ny firenena rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.