Izaia 53 - Malagasy Catholic Bible

1«Iza no nino, izay renay,

ary iza no nanehoana ny sandrin’i Iaveh?»

2Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo madinika marefo,

tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina;

tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika;

na bika namelona ny fitiavantsika.

3Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy,

olona ory sady zatra ny fijaliana;

hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava;

natao faneso sy tsy nahoantsika velively.

4Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny,

ary ny fahoriantsika no nivesarany;

ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy,

nokapohin’Andriamanitra sy naetry.

5Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika,

notorotoroina noho ny helotsika;

nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana;

ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.

6Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika,

samy nanaraka ny lalany avy isika;

ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa

ny helotsika rehetra.

7Vonoina Izy, ary mandefitra,

tsy niloa-bava akory Izy;

tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina,

tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy;

tsy miloa-bava akory.

8Nesorina izy noho ny fampahoriana sy ny fitsaràna;

ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra,

fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy,

ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako?

9Natao iray fasana tamin’ny ratsy fanahy Izy;

ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa maty,

nefa tsy mba nanao ny tsy marina,

ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.

10Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana,

nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana,

dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana,

ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.

11Noho ny fijalian’ny fanahiny,

dia hahita Izy, ka ho afa-po.

Ilay marina, mpanompoko, noho ny fijaliany,

hanamarina olona betsaka,

ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo.

12Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy,

ary hiara-mizara babo amin’ny mahery;

satria nanolotra ny ainy ho faty izy,

sady natao ho isan’ny mpanao ratsy:

ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro,

sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help