Ekleziastika 8 - Malagasy Catholic Bible

Fahamalinana sy fandinihana

1Aza mifanditra amin’ny olona manam-pahefana,

fandrao dia latsaka eo an-tanany ianao.

2Aza mifanjihitra amin’ny olona mpanankarena,

fandrao ny lanjam-bolany no entiny miady aminao;

fa efa nahavery olona maro ny volamena,

ary efa navaonany mbamin’ny fon’ny mpanjaka aza.

3Aza mifanditra amin’ny olona basivava,

ary aza tohofana kitay ny afony.

4Aza manao vazivazy amin’ny olona ratsy taiza,

fandrao dia afa-baraka ny razanao.

5Aza mananihany ny olona mivily hiala amin’ny ota;

tsarovy fa mendrika hosazina avokoa isika rehetra.

6Aza maneso olona amin’ny fahanterany;

fa ny sasany amintsika, efa miha-antitra ihany koa.

7Aza mifaly raha misy olona maty,

tsarovy fa ho faty avokoa isika

Ny fomba ifandovana

8Aza manao tsirambina amin’ny tenin’ny hendry,

ary dinidinihonao ny foto-keviny,

fa amin’izy ireny no hahazoanao fianarana,

sy hahaizanao manompo ny lehibe.

9Aza avela tsy ho henonao ny tenin’ny anti-panahy,

fa izy koa dia mba nahare tamin’ny razany;

ka amin’izy ireny ho hianaranao ny fahendrena,

sy hahaizanao mamaly rehefa ilaina izany.

Fahamalinana

10Aza mampirehitra ny arin’ny mpanota,

fandrao dia levon’ny firedaredan’ny lelafony ianao.

11Aza mifanandrina amin’ny miavom-bava maneso anao,

fandrao amitsahany ianao, iandrasany vava latsaka.

12Aza mampisambotra an’izay mahery noho ianao,

ary raha misy nampisamborinao azy ataovy anisan’ny very.

13Aza miantoka mihoatra noho izay zakanao;

ary raha niantoka ianao manahia ho toy ny handoa.

14Aza manana ady amin’ny mpitsara,

fa noho ny hajany no hanapahan’ny olona ny momba azy.

15Aza miara-dalana amin’ny olona sahisahy foana,

fandrao tonga enta-mavesatra ho anao izy;

fa ataony araka ny haitraitrany ny zavatra rehetra.

Ka hiara-bery aminy ianao, noho ny hadalany.

16Aza mifanditra amin’ny olona foizina,

ary aza mamaky ny efitra miaraka aminy;

fa tsinontsinona eo imasony ny ra latsaka,

ka hakapony, lavitra ny vonjy any, ianao.

17Aza miara-midinika amin’ny adala,

fa tsy mahatam-bava izy, na amin’inona na amin’inona.

18Aza manao zavatra ilaina afenina eo imason’ny vahiny;

fa tsy mahalala izay mety hataony ianao.

19Aza mamboraka ny fonao amin’ny olona rehetra,

raha tsy te hahazo valy ratsy ianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help