1Mihainoa izao, ry taranak’i Jakôba,
ianareo izay antsoina amin’ny anaran’i Israely;
nateraky ny loharanon’i Jodà,
mianiana amin’ny Anaran’i Iaveh,
ary mankalaza ny Andriamanitr’i Israely,
nefa tsy amin’ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.
2Fa maka ny anarany amin’ny tanàna masina izy ireo,
sy miankina amin’ny Andriamanitr’i Israely,
izay mitondra Anarana hoe: Iavehn’ny tafika.
3Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin’ny ela;
naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso;
ary tampoka Aho dia nanao,
ka tanteraka ireo zavatra ireo.
4Noho ny fahalalako fa ianao dia mafy hatoka,
ary anjam-by ny vozonao,
sy varahina ny handrinao,
5dia nambarako taminao hatramin’ny ela izany zavatra izany;
nolazaiko taminao talohan’ny hahatongavany izany,
fandrao lazainao hoe: «Ny sampiko no nanao izany;
ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.»
6Efa nandre izany ianao;
jereo fa tanteraka avokoa izy;
fa ianareo kosa, tsy hanambara izany va ianareo?
Ankehitriny mampandre anao zava-baovao Aho,
dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.
7Vao izao no noarîna izany, fa tsy taloha;
hatramin’izao anio izao, tsy mbola nandre izany ianao,
fandrao lazainao hoe: «Indro fa efa fantatro ihany izany.»
8Tsy mbola nandre izany ianao,
tsy nahalala izany ianao;
tsy mbola nandre izany velively ny fonao.
Satria fantatro ianao fa mpivadika loatra,
ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe
mpivadika.
9Noho ny Anarako, dia manindry ny hatezerako Aho,
ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao Aho,
mba tsy hamongorana anao.
10Indro fa nandrendrika anao Aho,
nefa tsy nahazo volafotsy;
ary nizaha toetra anao tamin’ny memin’ny fahoriana Aho.
11Noho ny fitiavako ny Tenako, dia noho ny
fitiavako ny Tenako no hanaovako izany;
satria ahoana no hanazimbana ny Anarako?
Tsy hafoiko ho an’ny hafa ny voninahitro.
Olon-tian’i Iaveh i Sirosy12«Mihainoa Ahy, ry Jakôba,
sy ianao, ry Israely, izay nantsoiko;
Izaho dia izaho ny voalohany, izaho koa no farany.
13Ny tanako ihany no nanorina ny tany,
ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra;
izaho no miantso azy ireo,
dia tonga miaraka amin’izay izy.
14Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa:
Iza tamin’ireny no mba efa nilaza izany?
Ilay tian’i Iaveh dia hanatanteraka ny sitrapony amin’i Babela,
ary ny sandriny hamely ny Kaldeanina. -
15Izaho dia Izaho ihany no niteny sady niantso azy;
nasaiko tonga izy, ka hambinina ny alehany.
16Manatòna Ahy ianareo, ka henoy izao:
Hatramin’ny voalohany, tsy niteny an-takontakona Aho;
hatramin’ny ahatongavan’ireo zavatra ireo dia eo Aho;
- Ary ankehitriny i Iaveh, Tompo,
maniraka ahy omban’ny Fanahiny.»
Ny nokasain’i Iaveh hanaovana an’i Israely17Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao,
ilay Masin’i Israely:
«Izaho Iaveh, Andriamanitrao,
mampianatra anao mba hahitanao soa;
mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.
18Enga anie ka hihaino ny teniko ianao,
dia ho tahaka ny ony ny fiadananao;
ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
19ho tahaka ny fasika ny taranakao;
dia ho tahaka ny vovo-pasika, ny haloaky ny kibonao;
tsy hoesorina ny anarany,
na hovonoina eo anatrehako.»
Hira nialana avy ao Babilôna20«Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira ny Kaldeanina,
amin’ny hobin-kafaliana!
Torio izany, ataovy antso avo koa,
ampandreneso hatrany am-paran’ny tany!
Lazao hoe: I Iaveh efa nanavotra
an’i Jakôba mpanompony!
21Tsy mangetaheta ireo any amin’ny efitra nitondrany azy;
fa mampiboiboika rano avy amin’ny vatolampy Izy ho an’ireo;
mampitresaka ny vatolampy Izy, dia migororoana ny rano.
Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy i Iaveh.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.