Salamo 126 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 126 (Volgata 125)Hira rehefa mody

1 Fihirana fiakarana

Fony i Iaveh nampody ny voababon’i Siôna,

dia toa nofy izany ho antsika.

2Tamin’izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana,

ny lelantsika nanao hira firavoravoana.

Fahizay izao no ambentinteny amin’ny firenena:

«Nanao zava-dehibe ho azy ireo i Iaveh.»

3Eny, nanao zava-dehibe ho antsika tokoa i Iaveh;

ka revon-kafaliana isika.

4Iaveh ô, avereno ny anay voababo,

toy ny ampandehananao ny ranon-driaka ao amin’ny Negeba.

5Izay mamafy amin-dranomaso,

hijinja amin-kafaliana.

6Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana,

mitondra sy mamafy ny voa famafiny.

Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana,

mitondra ny amboara avy amin’ny fijinjàny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help