1Nony vita izany rehetra izany, nanatona ahy ny lehibe, ka nanao hoe: «Tsy tafasaraka tamin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny vahoaka Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita fa manaraka ny fahavetavetany, ny an’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferzeanina, ny Jebôseanina, ny Amônita, ny Moabita, ny Ejiptianina, ary ny Amôreana;
2satria naka ny zanaka vavin’ireo izy ho vady, sy ho an’ny zanany lahy, ka tafaharo amin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny taranaka masina; sady ny lohany sy andriambaventy indrindra no loha lalana amin’izany ota izany.»
3Vao nandre izany aho dia norovitiko ny akanjoko sy ny kapaotiko, norombotako ny volondohako aman-tsomotro, dia tafatombina nivarahontsana teo aho.
4Nivory teo amiko avokoa izay nangovitra noho ny tenin’ny Andriamanitr’i Israely, noho ny otan’ny zanaky ny fahababoana; izaho izany mbola tafatombina nivarahontsana teo ihany mandra-pahatongan’ny fanatitra hariva.
5Efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva aho, vao tafarina tamin’ny fahoriako, amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako nankany amin’i Iaveh Andriamanitro, nanao hoe:
6«Andriamanitra ô, safo-kenatra sy mangaihay loatra aho, tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro, fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay, ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.
7Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandrak’androany, dia efa meloka loza erỳ izahay; ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay, ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny tany hafa, ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
8Nisy andro anefa nanehoan’i Iaveh Andriamanitray ny famindram-pony taminay, dia navelany hisy sisa afaka izahay, ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina, mba hanazavan’ny Andriamanitray ny masonay, sy hamelombelomany kely ny ainay eo anatin’ny fahandevozana.
9Fa andevo izahay, nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray. Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy hamelombelona ny ainay, mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray sy hamboaranay ny rava eo, dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.
10Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô, ahoana no holazainay manaraka izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay;
11dia efa nolazainao taminay, tamin’ny vavan’ireo mpaminany mpanomponao, hoe: Ny tany hidiranareo hangalanareo azy ho fanananareo dia tanim-pahalotoana efa voaloton’ny fahalotoan’ireo vahoakan’ireo tany ireo sy azon’ny fahavetavetana nasafony azy hatrizay hatrizay noho ny fahalotoan’izy ireo.
12Koa ankehitriny aza manome ny zanakareo vavy ho an’ny zanany lahy, na maka ny zanany vavy ho an’ny zanakareo lahy, ary aza miahy ny fanambinany amam-piadanany na oviana na oviana, mba handroso ho mahery ianareo, ka hihinana ny vokatsoan’ity tany ity, sy hamela azy ho lovan’ny taranakareo mandrakizay.
13Atỳ aorian’izay rehetra nanjò anay, noho ny ratsy nataonay sy ny helokay - nefa mbola nitsitsianao anay, ry Andriamanitray ô, tsy namely anay araka ny helokay Ianao, sy namela anay hisy afaka ihany toy izao -
14moa dia mbola mety handika ny didinao izahay, ka hiharo amin’ireo vahoaka vetaveta loatra ireo? Moa tsy ho tezitra mafy aminay va Ianao ka handringana anay sy tsy hamela anay hisy sisa na ho afaka akory?
15Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, marina Ianao, izahay ankehitriny dia ireto sisan’izay afaka fotsiny ihany; indreto izahay mbamin’ny otanay eto anatrehanao, fa tsy mety ho velona eo anoloan’ny Tavanao izahay noho izany ota izany.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.