Jeremia 48 - Malagasy Catholic Bible

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Moaba(Jereo Iz 15–16; Am 2,1-3; Ezek 25,8-11)

1An’i Moaba.

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Loza ho an’i Nabô, fa rava;

safo-kenatra i Kariataima, fa azo;

safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;

2tsy misy intsony izay voninahitr’i Moaba!

Any Hesebona no hidinihana ny loza hamelezana azy:

Andeha hofongorantsika eo amin’ny firenena izy!

Ianao koa, ry Madmena, hatao gina;

mandeha manaraka eo aoriana ny sabatra.

3Injany, avy ao Hôrônaima misy antsoantso hoe:

«Fandringanana sy fandravana lozan-tany re!»

4Montsana i Moaba;

mandefa antsoantso ny ankizy madinika ao aminy.

5Eny, fa misy fitomaniana ao amin’eny fiakaran’i Loita,

mitomany ny olona no miakatra eo;

eny, eo amin’ny fidinan’i Hôrônaima,

fitarainam-pahoriana no re.

6«Mandosira, vonjeo ny ainareo!

Ho tahaka ny anjavidy an-tany foana anie izy.»

7Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao,

dia ho lasan’ny hafa koa ianao;

ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy

mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.

8Ho tonga hamely ny tanàna rehetra ny mpandringana,

ka tsy hisy ho afaka aminy izy ireo na iray aza;

ny lohasaha, hosimbana; ary ny tanety, horobaina,

araka ny voalazan’i Iaveh.

9Omeo elatra i Moaba, fa tokony hidina izy;

horavàna ny tanànany, ka tsy hisy mponina intsony.

10Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin’ny asan’i Iaveh!

Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!

11Hatry ny fony mbola zaza i Moaba dia nandry feizay,

niotrika teo amin’ny faikany,

tsy nafindrafindra vilany,

tsy lasana ho any amin’ny fahababoana,

ka dia naharitra ny tsirony, ary tsy niova ny fofony.

12Koa indro, tonga ny andro, - teny marin’i Iaveh, -

hanirahako mpamindra am-bilany, hamindra vilany azy,

hofoanany ny vilaniny,

ary hovakiny ny sininy.

13Dia ho menatra i Moaba noho ny amin’i Kamosy

toy ny nahamenaran’ny taranak’i Israely,

noho ny amin’i Betela izay nitokiany.

14Ahoana no ahazoanareo milaza hoe: «Mpiady izahay,

lehilahy mahery an’ady izahay?»

15I Moaba efa rava; ny tanànany efa midona-tsetroka;

ny zatovony voafantina, midina ho any am-pamonoana;

- teny marin’ny mpanjaka.

manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika. -

16antomotra ny fandravana an’i Moaba;

mimaona fatratra ny loza hanjò azy.

17Ianareo rehetra mifanakaiky aminy,

samia mitsapa alahelo azy,

ary ianareo rehetra mahalala ny Anarany,

samia milaza hoe:

«Ahoana no dia tapaka ny tehina mafy toy izany,

ny tehim-panjakana kanto toy izany?»

18Mietre amin’ny voninahitrao dia mipetraha amin’ny tany,

ry mponina, zanaka vavin’i Dibôna;

fa tafakatra hamely anao ny mpandringana an’i Moaba,

ny mandanao efa voazerany.

19Mijanòna eo an-dalambe, ka mitazàna, ry kala mponina ao Arôera;

anontanio ny lehilahy mandositra, sy ny vehivavy mitsoaka,

ka ataovy hoe: «Inona no mihatra?»

20«Mangaihay i Moaba, fa voazera;

samia ianareo mitoloko sy mitaraina!

Ambarao any Arnôna,

fa rava i Moaba!»

21Misy fitsarana tonga,

mihatra amin’ny tany lemaka,

amin’i Helona, amin’i Jasà,

22amin’i Mefaata, amin’i Dibôna,

amin’i Nabô, amin’i Beta-Deblataima,

23amin’i Kariataima, amin’i Beta- Gamola,

amin’i Beta-Maona,

24amin’i Kariota, amin’i Bôsrà,

sy amin’ny tanàna rehetra amin’ny tanin’i Moaba,

na ny lavitra na ny akaiky.

25Voakapa ny tandrok’i Moaba,

ary tapaka ny sandriny, - teny marin’i Iaveh. -

26Ataovy doroka izy, fa nitsangan-kanohitra an’i Iaveh.

Aoka i Moaba hihosinkosina amin’ny loany,

ary aoka izy koa ho tonga fihomehezana!

27Fa moa i Israely tsy fihomehezana taminao va?

Moa nisy nahatratra azy ho naman’ny mpangalatra va?

no dia nihifikifi-doha ianao, isaky ny miteny ny aminy?

28Ilaozy ny tanàna, mitoera any amin’ny vatolampiny,

ry mponina any Moaba, ka aoka ho tahaka ny domohina

izay manao ny akaniny eny ambonin’ny hantsana mangotanatana.

29Efa renay ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona,

ny fisolanàndrany, ny avonavony, ny reharehany,

ary ny hambom-pony.

30Izaho koa dia mahalala, - teny marin’i Iaveh, -

ny fihoa-bavany sy ny bedibedy foanany,

ary ny asany tsinontsinona.

31Koa migogogogo aho, noho ny amin’i Moaba;

midradradradra aho, noho ny amin’i Moaba rehetra,

mitsetra ny olona, noho ny amin’ny mponina ao Kir-Heresa.

32Mihoatra noho ny fitomaniana an’i Jazera no itomaniako anao,

ry tanimboalobok’i Sabamà.

Tafita ny ranomasina ny rantsanao

tafapaka amin’ny ranomasin’i Jazera izy.

Kanjo ny fitoazana anao amam-pitoazana ny voalobokao,

nianjeran’ny mpandringana.

33Foana ny fifaliana amam-piravoravoana,

eo amin’ny saha voavoly hazo mamoa sy ny tanin’i Moaba;

nataoko tankina ny divay eo amin’ny barìka fandomam-boaloboka;

tsy hosihosena intsony amam-pihobiana maresaka izy;

ny hoby efa tsy hoby intsony.

34Noho ny antsoantson’i Hesebona re hatrany Eleale;

hatrany Jasà, dia mandefa ny antsoantsony izy ireo;

hatrany Segôra ka hatrany Hôrônaima,

hatrany Eglata-Selisia,

fa mbamin’ny ranon’i Nemrima aza no ho tankina.

35Tiako hofaranana ny amin’i Moaba, - teny marin’i Iaveh, -

izay miakatra ho eo amin’ny fitoerana avony,

sy manolotra emboka manitra amin’ny andriamaniny.

36Koa mitaraina hoatra ny sodina ny foko,

noho ny amin’i Moaba;

eny, ny foko, noho ny amin’ny mponina ao Kir-Heresa,

mitaraina hoatra ny sodina.

Koa very avokoa izay tombony efa azony.

37Fa nibory ny loha rehetra,

voaharatra ny somotra rehetra,

misy tetika amin’ny tanana rehetra,

ary misy lasàka koa ny valahana.

38Eny ambony tafon-trano rehetra sy eny amin’ny kianja ao Moaba,

tsy misy afa-tsy figogogogoana fotsiny;

fa nomontsaniko i Moaba

hoatra ny fanaka tsy ahoan’ny olona intsony,

- teny marin’i Iaveh. -

39He ity fahatorotoròny! Mba misentoa ianareo.

He ity fiambòhon’i Moaba amin-kenatra!

Tonga fihomehezana i Moaba,

tonga fampitahorana ho an’izay rehetra mifanakaiky aminy izy.

40Fa izao no lazain’i Iaveh:

Indro izy miezaka hanidina toy ny voromahery,

mamelatra elatra eo ambonin’i Moaba.

41Azo i Kariota; afaka ny trano mimanda;

ary ny fon’ny mpiady maherin’i Moaba amin’izany andro izany,

dia toy ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.

42Voaongana i Moaba amin’ny maha-firenena azy,

satria nitsangan-kanohitra an’i Iaveh.

43Tahotra, lavaka amam-pandrika,

no mitatao anao, ry mponina any Moaba,

- teny marin’i Iaveh. -

44Izay mandositra ny zava-mahatahotra azy, voan’ny fandrika;

fa hataoko tonga aminy, dia amin’i Moaba,

ny taona famangiana azy, - teny marin’i Iaveh. -

45Mijanona eo amin’ny alokalok’i Hesebona

ny mpandositra lany hery;

kanjo misy afo mivoaka avy ao Hesebona,

ary misy lelafo avy ao afovoan’i Sehôna;

ka nandevona ny valahan’i Moaba,

sy ny karan-dohan’ny zanaky ny fitabatabana.

46Loza ho anao, ry Moaba!

Very ny vahoaka ao Kamosy;

fa ny zanakao lahy entina atao sesitany,

ny zanakao vavy lasan-ko babo.

47Mbola hampodiko anefa ny voababo amin’i Moaba,

any amin’ny farandro any, - teny marin’i Iaveh. -

Hatreto ny fitsarana an’i Moaba.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help