Ezekiela 24 - Malagasy Catholic Bible

Ambara fa hatao fahirano i Jerosalema

1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh tamin’ny taona fahasivy, volana fahafolo, andro fahafolon’ny volana, nanao hoe:

2Ry zanak’olona, ataovy an-tsoratra izao andro izao: dia izao mason’andro izao, fa amin’izao andro izao indrindra no niantorahan’ny mpanjakan’i Babilôna tamin’i Jerosalema.

3Manaova fanoharana amin’ny taranaka miodina, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Atsangano ny vilany; atsangano izy, ka asio rano.

4Dia arotsahy ao ny didin-kena, ny didiny tsara rehetra; ny nofom-peny ama-nofon-tsorony; fenoy taolana voafantina izy,

5Izay tsara indrindra amin’ny andian’ondry no alaovy, dia tohofy taolana betsaka eo ambanin’ny vilany; ataovy mangotraka mivadibadika fatratra izy mba ho masaka koa ny taolana ao anatiny.

6Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny tanàna mpandatsa-dra, vilany misy taim-barahina ao anatiny, ka tsy afaka tao aminy ny taim-barahina! Loary tsirairay ny didin-kena, aza anaovana filokana,

7fa ny ra nalatsany dia mbola ao aminy; nataony teo amin’ny vatolampy mangadihady fa tsy nalatsany tamin’ny tany hosaronan’ny vovoka.

8Mba hampirehitra ny hatezerana ary mba hanao famaliana azy, dia natoko latsaka tamin’ny vatolampy mangadihady ny ra nalatsany tsy ho voasarona.

9Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny tanana mpandatsa-dra. Izaho koa hanangona antontan-kitay betsaka.

10Angony ny kitay hazo, ampireheto ny afo, ataovy motraka ny hena, ataovy mangotraka ny koban-kena, ary aoka ho levon’ny afo koa ny taolana.

11Dia ataovy eo ambony vainafo ny vilany foana, hahafana azy, hahamay ny varahina, hiempoan’ny lotony ao anatiny, hahalevona ny taim-barahina.

12Aim-bery foana! fa tsy mety afaka ny vongan-taim-barahiny, maharitra ny afo ny taim-barahiny.

13Misy zavatra lozan-tany amin’ny lotonao: satria tsy mety madio ianao, rehefa nodioviko dia tsy ho voadio amin’ny lotonao na oviana na oviana ianao, raha tsy efa nataoko mipetraka aminao ny hatezerako.

14Izaho Iaveh no niteny, ho tonga izany ary hotanterahiko: tsy hiahotrahotra Aho, na hitsimbina, na hanenina, Hotsaraina araka ny nataonao sy ny helokao be vava ianao, - teny marin’ny Tompo Iaveh.

Fitsapana nihatra tamin’ilay mpaminany

15Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

16«Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin’ny indray mitselaka monja, ilay fifalian’ny masoandro; nefa aza midradradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory.

17Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty, Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.»

18Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho, ka ny harivan’izany ihany dia maty ny vadiko; ary ny ampitso maraina indray dia notanterahiko izay nandidiana ahy.

19Ka hoy ny olona tamiko: «Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin’izao ataonao izao?»

20Dia izao no nolazaiko tamin’ireo: «Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

21Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanaka lahinareo aman-janaka vavinareo, izay nilaozanareo.

22Amin’izany ianareo, hanao toy izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.

23Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo, tsy hidradradradra na hitomany, fa hihalevona ao anatin’ny helokareo ianareo, ka hitoloko eo am-pifanilanareo.

24I Ezekiela no famantarana ho anareo; izay rehetra nataony no hataonareo, rehefa tonga izany; dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Iaveh.»

25Ary ianao, ry zanak’olona, amin’ny andro hanesorako amin’izy ireo ny heriny, ny voninahiny, ny firavoravoany, ny fahafinaretan’ny masony, ary ny fanirian’ny fanahiny; - dia ny zanany lahy aman-janany vavy; -

26amin’izany andro izany, hisy olona mpandositra hankatỳ aminao, hilaza izany vaovao izany aminao.

27Amin’izany andro izany, dia amin’ny fahatongavan’ilay mpandositra vao hisokatra ny vavanao, ka hiteny ianao fa tsy ho moana intsony; ary ho famantarana ho azy ireo ianao, dia ho fantatr’izy ireo fa Tompo Iaveh Aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help