1Teny fitsarana izay nahazoan’i Habakoka mpaminany fahitana.
1. RESAKY NY MPAMINANY SY ANDRIAMANITRATaraina voalohany ataon’ny Mpaminany2Iaveh ô, mandra-pahoviana no hiantsoako Anao,
nefa tsy nihaino ahy Ianao,
ary hitaraina aminao aho hoe: fahasiahana!
nefa tsy vonjenao ihany aho?
3Nahoana aho no ataonao mahita ny tsy fahamarinana
ary Ianao mijery ny fahoriana?
Fa fandravana amam-pahasiahana no eo anatrehako;
misy fifandirana ary mitranga ny tsy fifanarahana,
4noho izany maty ny lalàna,
ary tsy mahita mangirana ny fahamarinana;
fa solokian’ny ratsy fanahy ny marina,
ka rariny mivaona no mivoaka.
Teny voalohany ataon’AndriamanitraNy Kladeanina, loza afitsok’Andriamanitra5Topazo maso ireo firenena ka zahao;
dia migagà sy mitalanjòna.
Fa indro Aho amin’ny andronareo hanao zavatra,
izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.
6Satria indro Aho hamoky ny Kaldeanina,
firenena masiaka sy mirehidrehitra,
izay mandroso ho any amin’ireo tany midadasika be
mba haka fonenana izay tsy azy.
7Mahatsiravina sy mahatahotra izy;
ary avy amin’ny tenany ihany ny fahefany amam-pahalehibeazany.
8Mailaka noho ny leoparda ny soavaliny,
sady liana noho ny amboadia amin’ny hariva.
Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny;
avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny,
manidina toy ny voromahery lian-te hihinana.
9Tonga mba hanao hasiahana avokoa izany firenena izany;
ny masony feno hanoanana mijery any alohany any;
manangona babo toy ny fasika izy.
10Izy io dia mihomehy izay mpanjaka,
mihanihany izay mpifehy;
ny trano mimanda rehetra ihomehezany,
vovo-tany no asavovony dia afany ireny.
11Dia mandroso ny tafio-drivotra ka mihoatra,
ary izy mahazo heloka;
ny herin’ny tenany dia izay no andriamaniny!
Fitarainan’ny mpaminany fanindroany sy fanamparam-pahefan’ny mpamoritra12Moa tsy hatramin’ny fiandohana va Ianao,
ry Iaveh Andriamanitro, ilay Màsiko?
Tsy ho faty izahay.
Iaveh ô, ny nanorenanao izany vahoaka izany dia hahatanteraka ny rariny,
ny mba hamay no nanaovanao mafy orina azy,
ry Vatolampiko.
13Ny masonao madio loatra, tsy hahajery ny ratsy;
ary Ianao tsy mety mibanjina ny fahoriana.
Ka nahoana no hojerenao fotsiny ireo mpamitaka;
ary hangìna Ianao, raha mihinana ny marina ho izy, ny ratsy fanahy?
14Hataonao toy ny hazan-dranomasina va ny olombelona,
sy toy ny biby mandady tsy manan-dehibe?...
15Fa alainy amin’ny fintana izany rehetra izany,
sy sarihany amin’ny haratony,
ary angoniny amin’ny harato tarihina,
ka dia mifaly sy mientan-karavoana izy.
16Ka noho izany, izy manao sorona ho an’ny haratony,
sy manatitra emboka manitra ho an’ny harato tarihiny;
satria ireo no ahazoany anjara hanina matavy
sy sakafo matsiro.
17Hitohy mandrakariva va ny fandoarany ny ao amin’ny haratony,
sy ny famonoany, tsy ananany antra, ny firenena?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.