2Makabeo 5 - Malagasy Catholic Bible

I Menelasa sy i Jasôna

1Takaikin’izany andro izany, nandamina fanafihana an’i Ejipta fanindroany indray i Antiôkosy.

2Ary tamin’izany, eran’ny tanàna naharitra sahabo ho 40 andro, dia nisy mpitaingin-tsoavaly, niseho nihazakazaka teny amin’ny habakabaka, nitena akanjo volamena sy nitondra lefona toy ny andian-tafika;

3dia nisy kosa antokon-tsoavaly voalahatra hiady, famelezana amam-pikarohan’ny an-daniny avy, firefodrefotr’ampinga aman-defona sesehena, sabatra notsoahana tamin’ny tranony, longy natoraka, fanjelajela-piadiana, mbamin’ny fiarovan-tratra isan-karazany.

4Ka noho izany samy nivavaka avokoa ny olona rehetra, mba ho fambara tsara ho azy izany fisehoana izany.

5Nisy tsaho tsy marina niely fa hoe maty i Antiôkosy, ka naka miaramila tsy latsaka ny 1000 i Jasôna, dia tonga namely tampoka ny tanàna. Niezaka namonjy ny manda ny mponina nefa afany ihany ny tanàna, ka niery tao amin’ny trano mimanda i Menelasa.

6Nianjadian’i Jasôna tsy nananany antra akory ny mpiray tanindrazana aminy, tsy noheveriny fa ny andro iray naharesena ny mpiray tanindrazana amin’ny tena, no andro very mampalahelo indrindra; fahavalo no nataony ho nahazoam-pandresena, fa tsy olona iray tanindrazana aminy.

7Sady tsy afa-nahazo ny fahefana anefa izy, no nahazo henatra tamin’ity teti-dratsy nataony, ka heriny nandositra nankany amin’ny tanin’ny Amônita.

8Izao no niafaran’ny fiainany mahameloka: voaporitra tao amin’i Aretasa mpanjakan’ny Arabo izy, nandositra nifindrafindra tanàna, nenjehin’ny olon-drehetra, nankahalaina ho mpandika lalàna, fanozona ho mpamono tanindrazana ama-mpiray tanindrazana, noroahina tamim-pahafaham-baraka hatrany Ejipta.

9Nanesi-tany olona betsaka handao tanindrazana izy, ka mba maty tany an-tanin’olon-kafa kosa indray, nony efa nankany Lasedemôna nanantena hahita fialofana tany, noho ny maha-iray niaviana.

10Nampiampatra olona betsaka tamin’ny tany tsy nisy mpandevina izy, ka mba tsy nisy mpisaona koa, na mpikarakara levenana, na nalevina am-pasan-drazana akory.

Norobain’i Antiôkosy Epifana ny Tempoly(Jereo 1Mak 1,21-29)

11Nony avy izay nahalalan’ny mpanjaka izany zava-niseho izany, dia nataony fa efa niendaka i Jodea. Ka niala tany Ejipta izy, nisafoaka toa biby masiaka, naka ny tanàna tamim-piadiana.

12Nodidiany ny miaramila hamono tsy hananana antra akory izay azon’ny tanany sy hamono izay miakatra any ambony tafon-trano.

13Zatovolahy sy anti-dahy no novonoina toy izany, lehilahy lehibe sy zaza amam-behivavy no maty toy izany, zatovovavy sy zaza minono no novonoin-ko faty toy izany.

14Valo alina no isan’ny olona nahita loza tamin’izany hateloana izany: ny 40.000 maty novonoina; ny torak’izay kosa namidy ho andevo.

15Tsy mbola afa-pon’izany halozana izany anefa izy, fa mbola sahiny nitsofohana indray koa ny tempoly, ilay masina indrindra amin’ny tany rehetra, ka i Menelesy mpamadika ny lalàna aman-tanindrazany no mpitarika azy.

16Nalain’io tamin’ireto tanany maloto ny zavatra masina, notsoahany ny fanomezana napetraky ny mpanjaka sasany, hampitombo voninahitra amam-piamboniana io fitoerana io, ka napetrany eo an-tanana tsy voahasina.

17I Antiôkosy izany nobohizin’ny fiavonavonana tao am-pony, tsy nandinika fa noho ny fahotan’ny mponina no nahatezitra ny Tompo amin’ny andro fohy ihany, ka izany no namiliany ny masony tsy hijery izany fitoerana izany.

18Fa raha tahiny kosa tsy meloka tamin’ny fahotana be dia be izy ireo, dia ny tenany kosa hatramin’ny vao tonga izy no tsy maintsy ho voakapoka sy voasakana amin’izao hasahiany izao, tahaka an’i Heliodoro nirahin’ny mpanjaka hizaha ny rakitra.

19Tsy noho izany fitoerana izany anefa no nifidianan’Andriamanitra ny vahoaka fa noho ny vahoaka no nifidianany an’izany fitoerana izany.

20Ka noho izany sady niara-nidiran-doza tamin’ny vahoaka izany fitoerana izany no nanana anjara tamin’ny soa avy amin’ny Tompo koa, nanaraka izany; haolo izy aloha noho ny hatezeran’ny Tsitoha, vao naverina tamin’ny voninahiny lehibe indrindra, nony nihavana tamin’ny vahoakany indray ny Tompo ambony indrindra.

Mpiasam-panjakana nampahory vahoaka

21Talenta 1.800 no nongoahan’i Antiôkosy avy ao amin’ny tempoly, dia niverina faingana ho any Antiôkosy izy; ka azon’ny fiavonavonana izy dia nieritreritra noho ny firehetan’ny fony tafahoatra fa hahazo miantsambo amin’ny tany maina, sy ho afa-mampamindra amin’ny ranomasina.

22Nametraka mpanao raharaha hampahory ny vahoaka izy, dia tao Jerosalema i Filipo avy any Frijia, masiaka noho ilay nametraka azy;

23tao Garizima i Andrônika, ary afa-tsy ireo, i Menelasa izay ratsy lavitra noho ny hafa nanandra-tena an’avonavona ho ambony noho ny iray tanindrazana aminy,

24nanao an-dolompo tamin’ireo Jody tia tanindrazana. Fanampin’izany, nalefan’i Antiôkosy koa i Apôlôniosy tsivalahara nitondra tafika nisy miaramila 22.000 nomeny didy hamono ny lehilahy rehetra ampy taona, sy hivarotra ny zaza amam-behivavy.

25Nony tonga tao Jerosalema i Apôlôniosy, nody niseho ho havana, nijanona tsy naninon-tsy naninona, mandra-pahatongan’ny andro masina sabata; kanjo vao hitany variana manamasina io ny Jody, dia nasainy nandray fiadiana ny miaramilany.

26Ka izay rehetra nivoaka hizaha, nasainy novonoina avokoa; dia niara-nitety tao an-tanàna izy sy ny miaramilany namono olona maro ho faty.

27Ary i Jodasy Makabeo, izy no fahafolony nihataka nankany an’efitra nanao teo-piainan’ny biby dia tany an-tendrombohitra niaraka tamin’ireo namany, tsy nihinana afa-tsy ny zava-maitso, na oviana na oviana, mba tsy handoto ny tenany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help