Jôsoe 12 - Malagasy Catholic Bible

9. FAMERENANA FOHIFOHY NY TANTARAIreo mpanjaka resy, tao atsinanan’i Jordany

1Ireto no mpanjakan’ny tany resin’ny zanak’i Israely, ary nalainy ny taniny any an-dafin’i Jordany any atsinanana, hatramin’ny ranon-driakan’i Arnôna ka hatramin’ny tendrombohitra Hermôna, sy ny Arabaha manontolo any atsinanan’ny ony:

2i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nonina tao Hesebona; ny takatry ny fahefany dia hatrany Arôera, eo amin’ny ranon-driakan’i Arnôna, ary hatreo am-pamatonan’ny lohasaha amin’ny antsasak’i Galaada, ka hatramin’ny ranon-driakana Jaboaka, faritry ny tanin’ny taranak’i Amôna,

3amin’ny Arabaha, hatrany amin’ny ranomasina Kenereta any atsinanana, sy amin’ny ranomasin’ny Arabaha dia ny Ranomasin-tSira any atsinanana, amin’ny lalana mankany Betisimota; ary amin’ny ilany atsimo dia hatrany am-pototry ny kisolosolon’i Fasgà.

4Ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basàna, isan’ny sisan’ny Refaima nonina tao Aztarôta sy Edraia:

5ny takatry ny fahefany dia ny tendrombohitra Hermôna, Salekà, Basàna rehetra, hatramin’ny faritry ny tanin’ny Gesorima sy ny Makatianina ary ny antsasak’i Galaada, faritanin’i Sehôna mpanjakan’i Hesebona.

6I Môizy mpanompon’i Iaveh sy ny zanak’i Israely no nandresy an’ireo; ary ny Robenita sy ny Gadita, mbamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase no nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh ny tanin’izy ireo mba ho fananany.

Ireo mpanjaka resy, tao andrefan’i Jordany

7Ireto kosa ny mpanjaka resin’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely atỳ an-dafin’i Jordany, atỳ andrefana, hatramin’i Baala-Gada, amin’ny lohasahan’i Libàna, ka hatramin’ny tendrombohitra mangadihady misondrotra mankany Seira. Nomen’i Jôsoe ny fokon’i Israely, araka ny fianakaviany avy, izany tany izany, ho fananany,

8dia ny any amin’ny tendrombohitra, ny any amin’ny tany iva, ny any amin’ny havoana, ny any an’efitra ary ny any amin’i Negeba, izay tanin’ny Heteanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina.

9Ny mpanjakan’i Jerikô, iray; ny mpanjakan’i Haia akaikin’i Betela, iray;

10ny mpanjakan’i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’i Hebrôna, iray;

11ny mpanjakan’i Jerimota, iray; ny mpanjakan’i Lakisa, iray;

12ny mpanjakan’i Eglôna, iray; ny mpanjakan’i Gazera, iray;

13ny mpanjakan’i Dabira, iray; ny mpanjakan’i Gadera, iray;

14ny mpanjakan’i Hermà, iray; ny mpanjakan’i Hedera, iray;

15ny mpanjakan’i Lebnà, iray; ny mpanjakan’i Odolama, iray;

16ny mpanjakan’i Makedà, iray; ny mpanjakan’i Betela, iray;

17ny mpanjakan’i Tafnà, iray; ny mpanjakan’i Ofera, iray;

18ny mpanjakan’i Afeka, iray; ny mpanjakan’i Lasarôna, iray;

19ny mpanjakan’i Madôna, iray; ny mpanjakan’i Asôra, iray;

20ny mpanjakan’i Semerona, iray; ny mpanjakan’i Aksafa, iray;

21ny mpanjakan’i Tanàka, iray; ny mpanjakan’i Magedao, iray;

22ny mpanjakan’i Kadesa, iray; ny mpanjakan’i Jakanàna any Karmela, iray;

23ny mpanjakan’i Dôra, eo amin’ny havoanan’i Dôra, iray, ny mpanjakan’i Gôjima, ao Galgalà, iray; ny mpanjakan’i Tersà, iray;

24totaliny, mpanjaka 31.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help