1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Salamo.
2I Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra;
nitongilana tamiko Izy, nihaino ny fitarainako.
3Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho,
sy tamin’ny fotaka mandrevo;
najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro,
nataony matotra ny diako.
4Nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy,
hira fiderana ny Andriamanitsika;
maro no mahita izany ka manaja an’i Iaveh,
sy matoky Azy.
5Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh,
ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona
sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.
6Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro,
ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay;
tsy misy azo ataha Aminao.
Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho,
fa mihoatra ny azo lazaina Izy.
7Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra,
notevehinao ny sofiko;
tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.
8Ka hoy aho amin’izany: «Inty aho tonga,»
miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
9Ny hanao ny sitraponao no sitrako, ry Andriamanitra ô!
ary ny lalàna no ato anatin’ny foko.
10Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho;
tsy hanakombona ny molotro aho,
fantatrao izany, ry Iaveh ô!
11tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao;
hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho,
ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao
amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe.
12Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie Ianao, ry Iaveh!
hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao!
13Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho,
voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery;
maro isa noho ny volon-dohako ireny,
ka reraka ny foko.
14Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy!
Ry Iaveh ô, faingàna hamonjy ahy!
15Ho menatra sy hangaihay avokoa anie,
ireo mitady ny aiko hamerezany azy!
Hihemotra sy ho menatra foana anie
ireo maniry ahy ho levona!
16Ho ankona noho ny fahamenarany anie
ireo manao amiko hoe: «Hia, hia!»
17Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie,
izay rehetra mitady Anao!
Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!»
ireo tia ny famonjenao.
18Ory sy mahantra aho;
fa ny Tompo no hiahy ahy.
Ianao no vonjiko sy mpanafaka ahy:
ka aza ela, ry Andriamanitra ô!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.