Izaia 5 - Malagasy Catholic Bible

Tononkalo momba ny voaloboka(Jereo Os 10,1; Jer 2,21; 5,10; 6,9; 12,10; Ezek 15,1-8; 17,3-10; 19,10-14; Sal 80,9-19; Iz 27,2-5; Mt 21,33-44; Mt 21,18-19; Jn 15,1-2)

1Andeha hihira ho an’ny malalako aho,

ilay hiran’ny malalako, ny amin’ny tanimboalobony.

Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka,

teo amin’ny tanety mahavokatra.

2Ka nasainy ny tany, noesoriny ny vato taminy;

ary namboly karazam-boaloboka teo izy.

Nanorona tilikambo teo afovoany izy,

ary nandavaka famiazam-boaloboka koa.

Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy,

kanjo divay marikivy no vokany.

3Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema,

sy olona any Jodà,

masìna ianareo, tsarao Aho,

sy ny tanimboaloboko!

4Inona moa no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko,

ka tsy nataoko taminy?

Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany,

kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy?

5Koa ankehitriny haposako aminareo,

izay hataoko amin’ny tanimboaloboko:

hongotako ny fefiny, dia horaotina izy;

hadorako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy.

6Hataoko tany foana izy;

ka tsy hohetezana na hasaina intsony;

fa hanirian’ny hery aman-tsilo;

ary handidy ny rahona aho,

tsy handatsaka orana aminy intsony.

7Fa ny taranak’i Israely,

no tanimboalobok’i Iavehn’ny tafika,

ary ny olona any Jodà,

no voly nolalainy;

hitsiny no nantenainy taminy,

kanjo ra latsaka no niseho;

ny fahamarinana no nantenainy,

kanjo fitarainam-pahoriana no hita.

Ozona(Jereo Am 6,1-7; Mik 2,1-5; Jer 22,13-19; Ezek 7,5-26; Hab 2,6-20; Lk 6,24-26; Mt 23)

8Loza ho an’izay manampy trano amin’ny trano,

sy manitatra saha amin’ny saha,

mandra-paha-tsy misy manelanelana intsony,

fa dia izy irery no honina eo afovoan’ny tany.

9Ity no teny ren’ny sofiko avy amin’i Iavehn’ny tafika:

Eny ho foana ireo trano maro ireo,

tsy hisy mpitoetra intsony ireo trano lehibe sy tsara tarehy ireo.

10Fa ny tanimboaloboka telon-jato aza

tsy hahavokatra afa-tsy iray bata,

ny voan-javatra iray homera tsy hahavokatra afa-tsy iray efah.

11Loza ho an’izay mihazakazaka hatramin’ny vao maraina

mitady fisotro mahamamo,

ary manalava ny filerany amin’ny hariva,

efa voarehitry ny divay.

12Harpa amam-baliha sy langoroany,

ary sodina aman-divay, dia izay no fanasan’izy ireo;

fa ny asan’i Iaveh tsy asiany fiheverana,

ary ny ataon’ny tanany tsy jereny akory.

13Noho izany ny vahoakako ho lasan-ko babo,

tsy manampò izany akory;

ny andriany ho zary andian’olo-noana,

ary ny valalabemandry aminy ho main’ny hetaheta.

14Koa dia mitatra ny Seoly,

ka manadanadana tsy anerany ny vavany;

mivarina ao ny reharehan’i Siôna,

mbamin’ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly.

15Haetry ny olombelona, haongana ny olona,

ary haondrika ny mason’ny mpiandranandrana;

16dia hiseho ho lehibe, amin’ny fitsarana, i Iavehn’ny tafika,

ary hiseho ho masina amin’ny fahamarinana ny Andriamanitra masina

17Hisy ondry hiraoka ahitra, toy ny eo amin’ny fiandrasana azy,

sy olon-kafa handevona ny sahan’ny mpanan-karena efa voasimba.

18Loza ho an’izay mitari-keloka

amin’ny kofehim-pitaka sy ota,

toy ny amin’ny mahazakan-tsarety!

19izay manao hoe: «Aoka ho dodona izy,

aoka hohafainganiny ny asany, hahitantsika azy!

Aoka hihakely sy ho tanteraka ny didin’Ilay Masin’i Israely, ka hahafantarantsika!»

20Loza ho an’izay miantso ny ratsy, soa,

ary ny soa, ratsy;

izay manao ny haizina ho fahazavana,

sy ny fahazavana ho haizina;

izay manao ny mamy ho mangidy,

sy ny mangidy ho mamy.

21Loza ho an’izay manao ny tenany ho hendry,

sy mihevitra azy ho mazava saina!

22Loza ho an’izay mahery amin’ny fisotroan-divay,

sy matanjaka amin’ny fampiharoharoana ny fisotro mahery!

23ho an’izay manamarina ny meloka, noho ny kolikoly,

sy tsy manome ny rariny ananan’ny marina!

24Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo,

sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina,

ny fakany hanahaka zavatra lo;

ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka;

satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo,

sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.

Hatezeran’i Iaveh

25Noho izany, nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh,

nahinjiny tany aminy ny tanany, dia nikapoka azy Izy;

nihozongozona ny tendrombohitra;

miampatra toy ny diky eny an-dalana, ny fatin’izy ireo.

Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany,

ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.

Fanafihan’ny Asirianina

26Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy;

ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany.

dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.

27Tsy misy reraka na mangozohozo, na dia iray aza,

tsy misy rendremana na matory, na dia iray aza,

tsy misy olona miala fehikibo eny an-tehezany,

na tapa-kofehin-kiraro akory.

28Voaranitra avokoa ny zana-tsipikany,

voahenjana avokoa ny tsipìkany;

mafy tahaka ny vato ny kitron-tsoavaliny;

tahaka ny tadio ny kodiaran-tsaretiny.

29Fieron’ny liona, ny fierony;

manerona izy toy ny liona tanora

izay mitrerona sy misambotra ny rembiny;

dia lasany izany ka tsy misy mahesotra izany aminy intsony.

30Amin’izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin’ny vahoaka,

tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina.

Hijery ny tany ny olona ka indro haizina no eo!

Tebiteby mafy sy mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny haizina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help