2Mpanjaka 8 - Malagasy Catholic Bible

Fiafaran’ny tantaran’ilay Sonamita

1Ilay vehivavy maty anaka novelomin’i Elisea, dia efa nilazany hoe: «Miaingà ianao, ka mandehana mitoetra any amin’izay azonareo itoerana any, ianao sy ny fianakavianao. Fa efa nanafatra ny mosary I Iaveh, ka tamy tokoa ny mosary, sady haharitra fito taona amin’ny tany.»

2Koa niainga ravehivavy hanao araka ny voalazan’ny olon’Andriamanitra, ary lasa nandeha izy sy ny ankohonanay, ka nitoetra fito taona tany amin’ny tanin’ny Filistinina.

3Nony afaka fito taona, tafaverina avy any amin’ny tanin’ny Filistinina ravehivavy ka nandeha hitaraina amin’ny mpanjaka, ny amin’ny tranony sy ny sahany.

4Ny mpanjaka kosa, niresaka tamin’i Giezi mpanompon’ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: «Mba tantarao amiko kely ny zava-dehibe nataon’i Elisea.»

5Mbola niresaka tamin’ny mpanjaka ny amin’ny nananganan’ny tompony olona iray amin’ny maty teo izy, no inty ilay vehivavy renin’ny zaza maty novelomin’i Elisea, nanomboka nitalaho tamin’ny mpanjaka, ny amin’ny tranony sy ny sahany, ka hoy i Giezỳ: «Ry mpanjaka tompoko ô: inty eto ilay vehivavy, indro eo koa ilay zanany maty novelomin’i Elisea.»

6Dia nanontanian’ny mpanjaka ravehivavy, ka nitantara izany taminy; dia nomen’ny mpanjaka eonòka anankiray izy, nataony hoe: «Asaovy averina aminy avokoa ny saha rehetra, hatramin’ny nialany tatỳ, ka mandrak’ankehitriny.»

I Elisea sy i Hazaela avy any Damasa

7Nankany Damasa i Elisea: ary narary i Benhadada mpanjakan’i Siria, ka nilazan’ny olona izy, natao hoe: «Tonga eto ilay olon’Andriamanitra.»

8Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hazaela: «Mitondrà fanomezana ianao, mandehana mitsena ilay olon’Andriamanitra, ary izy no anontanio izay tenin’i Iaveh, ataovy hoe: Mbola ho velona amin’ity aretina ity va aho?»

9Nandeha nitsena azy i Hazaela ary nentiny niaraka taminy hatao fanatitra ho azy izay zava-tsoa indrindra tao Damasa, dia entan-drameva efapolo. Nony tonga izy, dia niseho teo anatrehany, nanao hoe: «Irahin’i Benhadada mpanjakan’i Siria zanakao aho, hiteny hoe: Ho velona aorian’ity aretina ity va aho?»

10Ary hoy i Elisea taminy: «Mandehana, lazao azy hoe: Ho velona marina tokoa ianao. Nefa nasehon’i Iaveh amiko fa ho faty mihitsy izy.»

11Dia nibanjina an’i Hazaela ity olon’Andriamanitra, ka nohandrininy teo io, hany ka nahamenatra azy; dia nitomany ny olon’Andriamanitra.

12Ka hoy i Hazaela: «Nahoana no mitomany ny tompoko?» Dia hoy ny navalin’i Elisea: «Satria tsinjoko ny ratsy hataonao amin’ny zanak’i Israely. Hodoranao amin’ny afo ny tanànany mimanda: hovonoinao amin’ny sabatra ny tovolahy ao aminy, hotorotoroinao ny ankizy madinika, ary hotatahanao ny kibon’ny vehivavy bevohoka.»

13Fa hoy i Hazaela: «Zinona moa ny mpanomponao, izay alika foana ity, no dia hahavita zava-dehibe toy izany?» ary namaly i Elisea: «Efa nasehon’i Iaveh tamiko fa ho mpanjakan’i Siria ianao.»

14Nony niala teo amin’i Elisea i Hazaela dia niverina nankao amin’ny tompony, ka nanontaniany hoe: «Ahoana no nolazain’i Elisea taminao?» Ary namaly izy hoe: «Izao no nolazainy: ‹Ho velona marina tokoa ianao.› »

15Ny ampitson’izay naka firakofana anankiray i Hazaela natsobony tamin’ny rano, dia nasarony ny tavan’ny mpanjaka, ka maty io; ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Jôrama tany Jodà

16Tamin’ny taona fahadimin’ny nanjakan’i Jôrama zanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, raha mbola mpanjakan’i Jodà i Jôsafata, no vao nanjakan’i Jôrama zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.

17Efa 32 taona izy fony tonga mpanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema.

18Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely izy tahaka ny nataon’ny taranak’i Akaba, fa zanakavavin’i Akaba no vadiny, ka nanao ratsy eo imason’i Iaveh izy.

19Tsy naringan’i Iaveh anefa i Jodà noho ny amin’i Davida mpanompony, araka ny fampanantenany hanome azy jiro tsy tapaka eo amin’ny taranany.

(Jereo 2Tan 21,8-10)

20Tamin’ny androny no nialan’i Edôma tsy ho ambanin’ny fanapahan’i Jodà, fa nanangana mpanjaka ho azy.

21Ka nankany Seirà i Jôrama nomban’ny kalesy rehetra; nifoha mbola alina izy namono ny Edômita manodidina azy, sy ny lehiben’ny kalesy, ary nandositra nankany an-dainy ny vahoaka.

22Nitsoaka tsy ho ambanin’ny fanapahan’i Jodà intsony i Edôma, mandrak’androany. Tamin’izany fotoana izany ihany koa, no nitsoaka ho afaka i Lobnà.

23Ny sisa tamin’ny asan’i Jôrama mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà?

24Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôrama, ka nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida; dia i Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Okoziasa tany Jodà (841)(Jereo 2Tan 22,1-6)

25Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Jôrama, zanak’i Akaba, mpanjakan’i Israely, no vao nanjakan’i Okoziasa zanak’i Jôrama, mpanjakan’i Jodà.

26Efa roa amby roapolo taona i Okoziasa, fony tonga mpanjaka, ary herintaona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Atalia, zanak’i Amrì, mpanjakan’i Israely.

27Nandeha tamin’ny lalan’ny taranak’i Akaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh toy ny taranak’i Akaba fa vinanton’ny taranak’i Akaba izy.

28Niara-nandeha tamin’i Jôrama, zanak’i Akaba izy, hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tany Ramôta, any Galaada. Voaratran’ny Sirianina i Jôrama,

29ka niverina ho any Jezrahela hampitsabo tena amin’ny ratra namelezan’ny Sirianina azy tany Ramôta, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Nidina i Okoziasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà, hamangy an’i Jôrama zanak’i Akaba ao Jezrahela fa narary izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help