Izaia 40 - Malagasy Catholic Bible

2. BOKY FANALANA ALAHELO AN’I ISRAELYNy niantsoana an’ilay Mpaminany

1«Ampionony, ampionony ny vahoakako,»

hoy ny Andriamanitrareo.

2Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,

ary ataovy antso avo aminy,

fa tapitra ny fanompoany,

voaonitra ny helony,

voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh,

ny indroa heny valin’ny fahotany.

3Injany misy feo miantso hoe:

«Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh,

manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!

4Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra;

ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;

ny avo hanjary tany lemaka;

ary ny vato mideza ho lembalemba.

5Dia hiseho ny voninahitr’i Iaveh,

ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kavanavaka

fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.»

6Injay misy feo manao hoe: «Miantsoa!»

dia nisy namaly hoe: «Ahoana no antso hataoko?»

«Ahitra ihany ny nofo rehetra,

ary tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha, ny hatsaran-tarehiny.

7Maina ny ahitra, malazo ny voniny,

rehefa seranin’ny fofon’ain’i Iaveh.

Eny, ahitra ihany ny olombelona:

8maina ny ahitra, malazo ny voniny,

fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.»

Fanambaràna fa hiseho Andriamanitra

9Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao,

izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna.

Manandrata feo mafy ianao,

izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema;

manandrata feo, fa aza matahotra,

lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe:

«Indro ny Andriamanitrareo!»

10Indro fa tonga i Iaveh Tompo, amin’ny heriny;

ny sandriny mampiasa ny fanapahana.

Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,

ary ny tamby homeny, eo anoloany.

11Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy;

handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny,

hitondra an’ireny eo an-trotroany,

ary handroaka moramora ny mampinono.

Lehibe Andriamanitra

12Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany,

sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny?

ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata,

sy nandanja ny tendrombohitra

tamin’ny farangom-pandanjana,

ary ny havoana tamin’ny mizana?

13Iza no nitari-dalana ny Fanahin’i Iaveh,

ary iza no nanolo-tsaina nampianatra Azy?

Iza no nidinihany mba hanoro hevitra Azy

14sy hampianatra Azy ny lalan’ny fahamarinana?

ary hampianatra Azy ny fahendrena

sy hanoro Azy ny lalan-tsaina?

15Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete

miraikitra amin’ny siny,

heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana;

indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika.

16I Libàna, tsy ampy hataina,

ary ny biby ao, tsy ampy ho sorona dorana.

17Ny firenena rehetra tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany,

fa ataony zava-poana sy tsinontsinona.

18Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra,

ary sarin’inona no hamboarinareo ho Azy?

19Rehefa nanao sampy anidina ny mpanao taozavatra

dia petahan’ny mpanefy volamena takela-bolamena,

sy anaovany tongalika volafotsy anidina.

20Ny mahantra tsy manam-be hatolotra

mifidy izay hazo tsy mety lo,

dia mitady mpiasa mahay zavatra,

hanaovany sampy tsy mihozongozona.

21Tsy fantatrareo va? Tsy renareo va?

Tsy nisy nanambara taminareo hatramin’ny voalohany va?

Tsy renareo va izay nandatsaka ny fanorenan’ny tany?

22Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany;

ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany;

Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly,

sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.

23Hahatsinontsinona ny mpanapaka Izy,

sy hampanjary zava-poana, ny mpitsara amin’ny tany.

24Vao nambolena ireo, vao nafafy ireo,

vao latsa-paka amin’ny tany ny fotony,

dia tsofiny ka malazo,

ary nindaosin’ny ranonoram-baratra hoatra ny vodivary.

25Koa iza àry no hampitovinareo Ahy,

ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina?

26Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere.

Iza no nahary ireo zavatra ireo?

Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo,

sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy;

ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany,

tsy misy midify ireny na dia iray aza.

Mitsimbina ilay Mahefa ny zavatra rehetra

27Nahoana ianao, ry Jakôba, no milaza,

ary ianao koa, ry Israely, no miteny hoe:

«Miafina amin’i Iaveh ny lalako,

ary takona eo anatrehan’Andriamanitra ny rariny ananako?»

28Tsy fantatrao va? tsy renao va?

Andriamanitra mandrakizay i Iaveh,

izay namorona ny eran’ny tany;

izay tsy mba mety sasatra na vizana

ary tsy takatry ny saina ny fahendreny

29Manome hery an’izay sasatra Izy

ary mampitombo tanjaka an’izay reraka.

30Ny zatovo mety sasatra sy vizana,

ary ny tovon’olona mety hangozohozo.

31Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao;

hisidina avo toy ny voromahery;

hihazakazaka, tsy hahalala sasatra;

handeha fa tsy hahatsiaro vizana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help