1Ary 25 taona i Joatama, fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jerosà zanak’i Sadôka.
2Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh, araka izay rehetra nataon’i Oziasa rainy izy, fa tsy mba niditra tao an-tempolin’i Iaveh; ny vahoaka kosa mbola niharatsy ihany.
3Nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Iaveh i Joatama, sy nandrafitra trano maro teo ambonin’ny mandan’i Ofela.
4Nanao tanàna teny amin’ny tendrombohitr’i Jodà izy, mbamina trano mimanda sy tilikambo tany an’ala.
5Niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna izy, dia naharesy azy, ka izao no nomen’ny taranak’i Amôna ho azy tamin’izany taona izany: talenta volafotsy zato, varimbazaha 10.000 kora, ary orja 10.000 kora; torak’izany koa no naterin’ny taranak’i Amôna ho azy, tamin’ny taona faharoa sy fahatelo.
6Nitombo hery i Joatama, satria nizotra mafy tamin’ny lalany, teo anatrehan’i Iaveh Andriamaniny.
(Jereo 2Mpa 15,36-38)7Ny asa nataon’i Joatama sisa, ny ady rehetra nataony sy izay rehetra vitany, indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Israely sy i Jodà avokoa.
825 taona izy fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany tao Jerosalema.
9Dia nody mandry any amin’ny razany i Joatama, ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. Ary i Akaza zanany no nanjaka nandimby azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.