1Takaikin’izany andro izany, no nahatongavan’i Antiôkosy, tamin-kenatra, avy any amin’ny tanin’i Persa.
2Fa niditra tao amin’ny tanàna atao hoe Persepolisa izy, dia nanandrana ny handroba ny tempoly, sy hampahory ny tanàna; kanjo niroatra ny vahoaka, ka nandray fiadiana, dia indro i Antiôkosy nataon’ny mponina vaky nandositra, dia lasa niverina afa-baraka.
3Tao amin’ny faritanin’i Ekbatàna izy no nandre ny nanjò an’i Nikanôra sy ny tafik’i Timoteo.
4Nirehitra ny hatezerany ka ny hamaliany ny fanaikan’ireo nanery azy handositra amin’ny famelezana ny Jody no noheveriny; nobaikony handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ny mpitarika mba hahafaingana ny dia. Nenjehin’ny famalian’ny any ambony anefa izy, fa nilaza tamim-piavonavonana hoe: «Vao tonga ao Jerosalema aho, dia hataoko fasan’ny Jody io tanàna io.
5Kanjo nasian’ny Tompo Andriamanitr’i Israely, mahita ny zavatra rehetra, tamin’ny fery tsy lai-panafody, maha-tsy te-hijery.» Vao avy nanonona io teny io izy dia nahatsiaro fanaintainana lozan-tany tao an-kibony, sy fangirifiriana nanotikotika tao anatiny.
6Famaizana marina izany, fa nandrotika ny kibon’ny sasany tamin’ny fampijaliana maro sy mafy mihoa-pampana izy.
7Tsy nety nionona tamin’ny fiavonavonany anefa izy fa mbola feno rehareha, dia naneho ny hatezerany mirehitra amin’ny Jody, nandidy ny hanafaingana ny dia izy, fa injay nidaboka tampoka avy ao amin’ny kalesy, izay nikodiadia nikotrokotroka, sady loza ny hamafin’ny fianjerany, fa mangana avokoa ny rantsam-batany rehetra;
8ka indro, ilay vao teo no nanao ny tenany ho mpandidy ny onjan-dranomasina noho ny reharehany tafahoatra ny an’ny olona, ilay nihevitra handanja ny haavon’ny tendrombohitra amin’ny mizàna, fa tafatsingidina amin’ny tany, ka nolanjaina tamin’ny filanjana, naneho miharihary teo imason’ny olon-drehetra ny fahefan’Andriamanitra.
9Kankana be dia be no nivoaka tamin’ny vatan’ity mpankahala ny fivavahana, mbola velona ny tenany dia niraraka ompana ny nofony tamim-pijaliana lozan-tany; fofon-javatra lo no nivoaka nankararirary ny tafika manontolo;
10ka ilay toa hanakatra ny kintana eny an-danitra teo iny, tsy nisy nahazaka azy intsony ankehitriny, fa tsy toha izany hamaimboana izany.
11Voa lalina loatra izy tamin’izany, ka izay vao nihemotra tamin’ny fiavonavonany makadiry sy nahalala ny tenany azon’ny kapok’Andriamanitra izay nampitombo ny fanaintainany hatrany hatrany;
12ary hatramin’ny tenany avy, no tsy nahatanty ny hamaimbony intsony, ka hoy izy: «Rariny mihitsy ny manaiky an’Andriamanitra; ary raha izay mety maty foana, tsy tokony hirehareha hifaninana amin’Andriamanitra.»
13Nivavaka tamin’ny Tompo ambony indrindra, izay tsy tokony hamindra fo aminy intsony anefa, ilay tsy misoro-doza io;
14nampanantena izy, fa holazainy ho tanàna afaka, ny tanàna masina, izay nidodododoany taloha hampitovina tantana amin’ny tany sy hatao fasan’ny mponina ao;
15hampitoviny saranga amin’ny Atenianina avokoa ny Jody izay notombanany ho tsy mendrika hanam-pasana, sy nokendreny hatao sakafon’ny vorona mpihaza amam-biby masiaka;
16hampihaingoana amin’ny fanomezana kanto ny Tempoly masina izay namaboany taloha sady haverina aminy avokoa sy hampiany aza ny fanaka masina rehetra, hosahaniny amin’izay miditra ho an’ny tenany, ny lany amin’ny sorona;
17fanampin’izany, hilatsaka ho Jody ny tenany, ary hitety ny tany misy mponina rehetra izy hanambara ny fahefan’Andriamanitra.
Taratasin’i Antiôkosy ho an’ny Jody18Tsy nitony anefa ny fijaliany fa ny fitsarana masin’Andriamanitra efa nihatra taminy, ka nony hitany fa tsy antenaina intsony ny amin’ny toetrany, dia nanoratra taratasy ho an’ny Jody izy, ka fitarainana no fomba nandaharany azy, ary izao no teny ao:
19«I Antiôkosy mpanjaka sy jeneraly, manoratra ho an’ny Jody, vahoakany tsara indrindra, Arahaba! Fahasalamana! Fiadanana tanteraka!
20Raha salama tsara ny tenanareo mbamin’ny zanakareo, raha mandroso araka ny fanirianareo ny raharahanareo, dia manome voninahitra lehibe indrindra an’Andriamanitra amin’izany aho, ary mametraka ny fitokiako amin’ny lanitra.
21Izaho izao, mandry tsy manan-kery intsony eto am-pandriana dia mahatsiaro amim-pitiavana ny mari-boninahitra amam-pitiavana noraisiko taminareo. Tamin’ny niverenako avy tany amin’ny tanin’i Persa, notsindrian’aretina lozan-tany aho, ka nataoko fa ilaina ny himasoako amin’izay hiadanan’ny olona rehetra.
22Tsy dia manary toky ny amiko aho tsy akory amin’izany fa vao mainka matoky mafy ny ho sitrana amin’izao aretina izao.
23Fa izao no noheveriko: fony ikaky hiady tany amin’ny faritany ambony, dia notendreny izay ho dimbiny,
24mba ho fantatr’izay eo amin’ny fanjakana ny nametrahana ny raharaha, ka tsy ho very hevitra izy raha avy izay loza tsy nampoizina na izay tsahotsaho ratsy;
25heveriko manampy izany koa fa ireo mpanjaka mifanolotra sy ireo andriandahy mifanakaiky amin’ny fanjakana, mitsikilo ny toe-draharaha, sy miandry izay hitranga, ka dia notendreko ho mpanjaka i Antiôkosy zanako ilay efa napetrako tamin’ny ankabeazany aminareo, tamim-panafatrafarana fony aho nitety ireo faritany ambony; ary io nadika eo ambany io ny taratasy nampitondraiko azy.
26Koa mangataka aminareo sy mihanta aminareo, mba hahatsiaro ny soa nataoko, na tamin’ny ankapobeny, na tamin’ny tsirairay avy, sy mba samy hahatana ny fitiavanareo ahy sy ny zanako.
27Satria matoky marina aho fa noho izy feno halemem-panahy sy antra olona, dia hahatanteraka ny hevitro sy hiseho ho mora aminareo.»
28Koa tany an-tanin’olon-kafa, tany an-tendrombohitra tamim-pahafatesana mahamenatra no nahafatesan’io mpamono olona sy mpanevateva an’Andriamanitra io, azon’ny fijaliana mahatsiravina toraky ny nafitsoky ny hafa.
29I Filipo namany fahazaza, no nampitondra ny vatany, saingy natahotra an’i Antiôkosy tanora ka nihataka nankany Ejipta, amin’i Ptôlemea Filometora.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.