1Nanatona niteny teo anatrehan’i Môizy sy teo anatrehan’ny lehibe, lohan’ny fokom-pianakavian’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’i Galaada, zanak’i Makira zanak’i Manase zanak’i Josefa. Hoy izy ireo hoe:
2«Nodidian’i Iaveh ny tompoko hizara amin’ny filokana ny tany holovan’ny zanak’i Israely; nodidian’i Iaveh koa ny tompoko hanome ny lovan’i Salfaada rahalahinay, ho an’ny zanany vavy.
3Koa raha manambady ny zanaka lahin’ny foko hafa amin’ny zanak’i Israely izy ireo, dia hoesorina amin’ny anjara lovan’ny razanay ny anjara lovany ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ka ho voaesotra amin’ny anjara lovanay.
4Ary rehefa tonga ny Jobily ho an’ny zanak’i Israely, ny lovany dia hanampy ny an’izay hidirany, ka halana amin’ny lovan’ny fokon-drazanay ny lovany.»
5Ary nanome izao didy izao i Môizy ho an’ny zanak’i Israely araka ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: «Marina ny tenin’ny fokon’ny zanak’i Josefa.
6Ka izao no didin’i Iaveh ny amin’ny zanaka vavin’i Salfaada: hanambady izay tiany izy, nefa ny ao amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy ihany no ho vadiny;
7dia tsy hifindra maso ny lovan’ny zanak’i Israely, fa samy ho eo amin’ny lovan’ny fokon-drainy avy no hipetrahan’ny zanak’i Israely.
8Ka ny zazavavy rehetra manana lova eo amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, dia samy hanambady ny anankiray amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy avy, mba samy hahatana ny lovan-drazany avy ny zanak’i Israely rehetra.
9Tsy hisy lova hifindra maso any amin’ny foko hafa, fa ny fokon’i Israely rehetra samy hipetraka amin’ny lovany avy.»
10Dia nanao araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny zanaka vavin’i Salfaada.
11Samy nanambady ny zana-drahalahin-drainy avy ny zanaka vavin’i Salfaada: I Maalà, i Tersà, i Heglà, i Melkà sy i Nôà;
12nanambady teo amin’ny fianakavian’ny zanak’i Manase zanak’i Josefa izy ireo, ka dia nipetraka tamin’ny fokom-pianakavian-drainy ny lovany.
13Ireo no didy aman-dalàna nomen’i Iaveh ny zanak’i Israely tamin’ny alalan’i Môizy, teo an-tany lemak’i Moaba, amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.