Jeremia 46 - Malagasy Catholic Bible

2. TENIN’ANDRIAMANITRA MAMELY IREO FIRENENA TSY JODY2 - ANDININDININY AMIN’IREO TENIN’ANDRIAMANITRA

1Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ireo firenena mpanompo sampy.

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Ejipta- Ho resy i Karkemisa(Jereo Iz 19)

2Ny amin’i Ejipta. Teny mamely ny tafik’i Nekô Faraôna mpanjakan’i Ejipta, teo amoron’ny ony Eofrata, tao Karkemisa, izay resin’i Nabokodonozora. mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà.

3Vonòny ny ampinga kely aman’ampinga be ka mandrosoa hiady!

4Ataovy amin’ny kalesy ny soavaly;

Miakara ambony soavaly ianareo mpitaingina azy!

Ianareo misatroka fiarovan-doha, milahara!

Fotsio ny lefona, iakanjoy ny fiarovan-tratra.

5Fa inona re ity hitako e? Raiki-tahotra izy ireo

ka miamboho lahy!

Resy ny mpiadiny!

Mandositra tsy miherika akory izy ireo!

Fa misy fampangorohoroana hatraiza hatraiza,

- teny marin’i Iaveh. -

6Ny faingan-tongotra, aza afa-mandositra!

ny lehilahy mahery fo, aza afa-mitsoaka!

Any amin’ny tany avaratra, amoron’ny ony Eofrata,

indro izy mivembena dia lavo.

7Iza izao miakatra hoatra an’i Nila

sy misamboaravoara ny onjany hoatra ny ony be?

8I Ejipta izao miakatra hoatra an’i Nila izao,

ka misamboaravoara ny onjany hoatra ny ony be,

Hoy izy: «Hiakatra aho, ka hanapaka ny tany,

haringako ny tanàna mbamin’ny mponina ao aminy.

9Mandrosoa, ry soavaly; mirimorimoa, ry kalesy!

Miaingà, ry mpiady!

Ry Etiôpianina sy Libianina mitana ampinga,

Ry Lidianina, mitana sy manenjana tsipìka!»

10Fa andron’ny Tompo Iavehn’ny tafika ity,

andro famaliana, hamaliany ny fahavalony!

Mihinana ny sabatra ka mivoky,

etsaky ny ran’ireny izy;

fisoronana ho an’ny Tompo Iavehn’ny tafika izao,

any amin’ny tany avaratra amoron’ny ony Eofrata.

11Miakara any Galaada, ka makà ditin-kazo manitra,

Ry virjiny, zanaka vavin’i Ejipta.

Mampitombo ny fanafody foana ianao;

fa tsy hanam-pahasitranana tsy akory.

12Ren’ny firenen-tsamihafa ny henatrao;

manenika ny tany ny fikiakiakanao;

fa ny samy mahery no mifandona;

ka samy lavo izy roa tonta.

Fanafihana an’i Ejipta(Jereo Jer 42,15-22; 43,8-13)

13Teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, mpaminany, ny amin’ny hiavian’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna hamely ny tany Ejipta:

14Torionareo any Ejipta, ampandreneso any Migdôla,

ampandreneso any Nôfa sy any Tafnesa;

ka lazao hoe: Milahara ianareo, ka miomàna;

fa efa mandripaka sahady eny amin’ny manodidina anareo ny sabatra!

15Hanky! efa lavo ny maherinao,

tsy nahajoro izy,

satria nazeran’i Iaveh amin’ny tany izy.

16Hamaroiny ny isan’izay tafintohina,

ka lavo mifanindry ireny, sady manao hoe:

«Mitsangàna isika, miverena any amin’ny firenentsika,

sy any amin’ny tany nahaterahantsika,

lavitra ny sabatra mahafaty olona.»

17Izao no fiantsoantsony any: «Voa i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta;

nandiso ny fotoana mety izy!»

18Velona Aho, - teny marin’ny Mpanjaka,

tompon’ny anarana hoe: Iavehn’ny tafika:

Tahaka an’i Tabôra eo amin’ny tendrombohitra,

tahaka an’i Karmela, eo ambonin’ny ranomasina, dia tamy izy.

19Fehezo ny entanao, entan-tambotra,

ry mponina zanaka vavin’i Ejipta,

fa indro i Nôfa ho zary tany efitra;

hodorana izy, ka tsy hisy mponina intsony.

20I Ejipta dia ombivavy kely tsara tarehy fatratra,

fa misy fihitra tonga avy any avaratra.

21Ny mpikarama eo aminy kosa,

hoatra ny zanak’omby voafahy.

Indreny miamboho koa izy ireo

dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy,

fa nihatra taminy ny androm-pahoriana,

dia ny fotoana hamaliana azy.

22Ny feony dia hoatra ny sasasasan’ny menarana mandeha;

satria marobe izy ireo no tonga,

dia tonga eo aminy, mitondra famaky,

sahala amin’ny mpikapa hazo.

23Nokapain’ireo ny alany, - teny marin’i Iaveh, -

nefa nikitroka efa izaitsizy;

satria maro noho ny valala izy ireo,

ka efa tsy tambo isaina.

24Mangaihay ny zanaka vavin’i Ejipta;

natolotra eo an-tanan’ny firenena any avaratra izy!

25Hoy i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely:

Indro, hovangiako avokoa i Amôna any Nô,

sy i Faraôna sy i Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany,

ary i Faraôna mbamin’ireo natoky azy.

26Ary hatolotra eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy ireo,

dia eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna,

sy eo an-tanan’ny mpanompony.

Fa any aorian’izany, vao honenana izy,

toy ny tamin’ny andro taloha, - teny marin’i Iaveh.

(Jereo Jer 30,10-11)

27Ary ianao, aza matahotra, ry Jakôba, mpanompoko,

aza manam-badi-po, ry Israely.

Indro ianao, halaiko avy any an-tany lavitra,

ary ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy.

Ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana,

handry fehizay, tsy misy mpanaitaitra.

28Aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko,

- teny marin’i Iaveh, - fa momba anao Aho!

Haringako avokoa ny firenena rehetra

nandroahako anao.

Fa ianao kosa tsy mba haringako.

Hofaizako ara-drariny anefa ianao,

fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help