1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitianina. Nataon’i Asafa.
2Manaova hira fifaliana ho fankalazana an’Andriamanitra herintsika.
Manaova hobim-pifaliana ho fankalazana ny Andriamanitr’i Jakôba!
3Miventesa hira arahim-peon’ny ampogatapaka,
sy harpa mireondreona mbamin’ny valiha.
4Tsofy ny anjomara amin’ny tsinam-bolana,
amin’ny andro fenomanana, amin’ny andro fetintsika.
5Fa didy ho an’i Israely izany;
fitsipika avy amin’ny Andriamanitr’i Jakôba.
6Nataony lalàna ho an’i Josefa
fony izy nandeha namely ny tany Ejipta.
Mandre feo tsy fantatro aho:
7Nanala entana ny sorony aho,
dia nitsahatra tsy nitondra sobika, ny tanany.
8Niantso tao anatin’ny fahoriana ianao dia novonjeko,
namaly anao tao anatin’ny rahona mitondra ranonoram-baratra Aho,
nizaha toetra anao, tao amin’ny ranon’i Meribà Aho.
- Selà
9Mihainoa, ry vahoakako, fa misy fananarana hataoko anao;
enga anie ka hihaino ahy ianao, ry Israely.
10Aza misy andriamani-kafa eo aminao,
aza mivavaka amin’ny andriamanitry ny vahoaka hafa.
11Izaho, Iaveh, Andriamanitrao,
no nitondra anao niakatra avy any an-tany Ejipta,
sokafy ny vavanao dia hofenoiko.
12Kanjo tsy nihaino ny feoko ny vahoakako,
tsy nakatò Ahy i Israely.
13Ka navelako izy hanaraka ny ditran’ny fony
dia nanaraka izay saim-pantany izy.
14Eh! raha mba mihaino ny foeko ny vahoakako,
raha mba mandeha amin’ny lalako i Israely!...
15Dia hokorokoroiko vetivety foana ny fahavalony,
hafotitro hamely ny mpampahory azy ny tanako.
16Hidera azy ry zareo mankahala an’i Iaveh,
ary ho azo antoka mandrakizay, ny faharetan’i Israely.
17Vary tsara indrindra no hamelomako azy,
ary tantely avy amin’ny vatolampy no hamokisako azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.