Salamo 58 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 58 (Volgata 57)Ilay hitsara ny mpitsara eto an-tany

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran’i Davida.

2Ny tsy fitenenana va no amoahanareo fitsarana?

Araka ny rariny va no itsaranareo, ry zanak’olombelona?

3Tsia, mamorona hevi-dratsy ao am-ponareo ianareo,

amidinareo an-danjany eo amin’ny tany ny fanaovan’ny tananareo an-keriny.

4Simba hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy,

mania hatramin’ny fony vao teraka ny fandainga.

5Manahaka ny poizin’ny menarana ny poizina aminy,

dia ny an’ny menarana marenina, izay manentsin-tadìny,

6ka tsy mihaino izay feon’ny mpahavariana azy,

ny feon’ny mpanasondriana izay kinga amin’ny fahaiza-manasondriana.

7Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny ao am-bavany;

ry Iaveh ô, omboty ny valanoranon’ireo liona tanora!

8Aoka ho tonga foana toy ny riaka mandalo!

Raha mametraka zana-tsipìka, dia aoka ho dombo, izy ireo!

9Aoka hanahaka ny lelosy izay miempo eo am-pandehanana!

Aoka tsy hahita masoandro toa zaza vaky manta ireo!

10Raha mbola tsy maimbo tsilo akory ny vilaninareo,

dia hindaosin’ny oram-baratra ireny, na ny lena na ny maina.

11Hifaly amin’ny fahitana ny famaliana, ny marina;

handro tongotra amin’ny ran’ny ratsy fanahy izy.

12Ka dia hiteny hoe ny olona: «Eny misy valiny tokoa ho an’ny marina,

misy tokoa Andriamanitra izay mitsara etỳ ambonin’ny tany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help