1Tantara 2 - Malagasy Catholic Bible

2. I JODÀIreo zanak’i Israely(Jereo Jen 35,23-26)

1Ireto no zanak’i Israely: i Robena, i Simeôna, i Levì, i Jodà, i Isakara, i Zabolôna,

2i Dàna, i Josefa, i Benjamina, i Neftalì, i Gada, ary i Asera.

Ireo taranak’i Jodà(Jereo Jen 38,2-5, 7, 27-30)

3Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, sy i Selà: izy telo lahy ireo no naterak’ilay zanaka vavin’i Soe, ilay vehivavy Kananeanina, taminy. I Hera lahimatoan’i Jodà dia ratsy fanahy teo imason’i Iaveh, ka nasiany ho faty.

4I Thamara, vinanto vavin’i Jodà, niteraka an’i Faresa sy i Zarà taminy. Dimy ny lahy rehetra, zanak’i Jodà.

(Jereo Jen 46,12; 1Mpa 5,11)

5Zanak’i Faresa: i Hesrôna, sy i Hamola.

6Zanak’i Zarà: i Zamrì, i Etàna, i Emàna, i Kalkala, ary i Darà: dimy lahy izy rehetra.

7Zanak’i Karmì: i Akara izay nanahirana an’i Israely, tamin’ny fahadisoany momba ny zavatra natao anatema.

8Zanak’i Etana: i Azariasa.

Ny niandohan’i Davida(Jereo Fanis 1,7; Rot 4,19-22)

9Zanaka naterak’i Hesrôna: i Jerameela, i Ramà ary i Kaleba.

10I Ramà niteraka an’i Aminadaba. I Aminadaba niteraka an’i Nahasôna, lohan’ny taranak’i Jodà.

11I Nahasôna niteraka an’i Salmà, i Salmà niteraka an’i Booza,

12I Booza niteraka an’i Obeda, i Obeda niteraka an’i Isaia,

13i Isaia niteraka an’i Eliaba lahy matoany, i Abinadaba lahy aivo, i Simaà fahatelo,

14i Natanaely fahefatra, i Radaia fahadimy,

15i Asoma fahenina, ary i Davida fahafito.

16Ny anabavin’ireo dia i Sarvià sy i Abigaila. Zanak’i Sarvià: i Abisaia, i Jôaba, i Asaela, telo lahy.

17I Abigaila niteraka an’i Amasà, ary ny rain’i Amasà dia i Jetera, Ismaelita.

I Kaleba(Jereo Jôs 14,6; 1Tan 2,42s; 4,11s)

18I Kaleba zanak’i Esrôna, niteraka tamin’i Azobà vadiny, sy tamin’i Jeriôta. Indreto ny zanany lahy naterak’i Azobà taminy: i Jazera, i Sôbata, sy i Ardôna.

19Ary maty i Azobà, ka naka an’i Efratà ho vady i Kaleba; io no niterahany an’i Hora.

20I Hora niteraka an’i Orì, ary i Orì niteraka an’i Bezeleela.

21Manaraka izany, niray tamin’ny zanaka vavin’i Makira, rain’i Galaada, i Hesrôna; efa enimpolo taona izy vao naka azy, ary niteraka an’i Segoba taminy, ravehivavy.

22I Segoba niteraka an’i Jaira, izay nanana tanàna 23 tany amin’ny tany Galaada.

23Nalain’ny Gesorianina sy ny Sirianina taminy ny vohitr’i Jaira, sy i Kanata mbamin’ny tanàna momba azy, tanàna enimpolo. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin’i Makira, rain’i Galaada.

24Efa maty tany Kaleba-Efrata, i Hesrôna, vao niteraka an’i Ashora rain’i Tekoa, tamin’i Abià vadiny.

I Jerameela

25Ny zanaka lahin’i Jerameela lahy matoan’i Hesrôna dia: i Ramà lahy matoany, i Bonà, i Aràna, i Asoma, i Akià.

26Nanambady hafa koa atao hoe i Atarà, i Jerameela; io no renin’i Onama.

27Ny zanaka lahin-dRama lahimatoan’i Jerameela dia ireto: i Moosa, i Jamina, i Akora.

28Ny zanaka lahin’i Semeià: i Nadaba sy i Abisora.

29Ny anaram-badin’i Abisora dia i Abihaila, ary izy niteraka an’i Ahobàna, sy i Môlida taminy.

30Zanakalahin’i Nadaba: i Saleda, sy i Afaima. Maty tsy niteraka i Saleda.

31Zanaka lahin’i Afaima: I Jesì. Zanaka lahin’i Jesì: i Sesàna. Zanaka lahin’i Sesàna: i Oholaia.

32Zanaka lahin’i Jadà, rahalahin’i Semeià: i Jetera sy i Jonatàna. Maty tsy niteraka i Jetera.

33Zanaka lahin’i Jonatàna: i Faleta sy i Zizà. Ireo no zanaka lahin’i Jerameela.

34Tsy nitera-dahy i Sesàna, fa nanan-janaka vavy izy. Nanana ankizy lahy Ejiptianina anankiray izy, atao hoe i Jeraà,

35nomeny ho vadin’io ny zanany vavy, ka niteraka an’i Eteia taminy.

36I Eteia niteraka an’i Natàna, i Natàna niteraka an’i Zabada.

37I Zabada niteraka an’i Oflàla, i Oflàla niteraka an’i Obeda;

38i Obeda niteraka an’i Jehò. I Jehò niteraka an’i Azariasa.

39I Azariasa niteraka an’i Helesa, i Helesa niteraka an’i Elasà,

40i Elasà niteraka an’i Sisamoia, i Sisamoia niteraka an’i Seloma,

41i Seloma niteraka an’Ikamiasa ary i Ikamiasa niteraka an’i Elisamà.

I Kaleba

42Zanaka lahin’i Kaleba rahalahin’i Jerameela: i Mesà, lahy matoany, rain’i Zifa, sy ny zanaka lahin’i Maresà, rain’i Hebrôna.

43Zanaka lahin’i Hebrôna: i Kôre, i Tafoà, i Rekema, ary i Samà.

44I Samà niteraka an-dRahama, rain’i Jerkaama; i Rekema niteraka an’i Samaia.

45Zanaka lahin’i Samaia: i Maona, ary i Maona no rain’i Betsora.

46I Efah vaditsindranon’i Kaleba, niteraka an’i Haràna, i Mosà ary i Gazeza. I Haràna niteraka an’i Gezea.

47Zanaka lahin’i Jahadaia: i Regoma, i Joatana, i Gosàna, i Faleta, i Efah, ary i Saafa.

48I Maakà vaditsindranon’i Kaleba niteraka an’i Sabera sy i Taranà.

49Mbola niteraka an’i Saafa rain’i Madmenà, sy i Soe rain’i Makbenà sy rain’i Gabaà koa izy. Ary ny zanaka vavin’i Kaleba dia i Aksà.

50Izao no zanaka lahin’i Kaleba.

I Hora

Zanaka lahin’i Hora, lahy matoan’i Efratà: i Sobala, rain’i Kariatiarima,

51i Salmà rain’i Betlehema; i Harifa rain’i Betigadera.

52Ny zanaka lahin’i Sobala, rain’i Kariatiarima dia: i Harôe, antsasaky ny Manaktiana.

53Ny fokon’i Kariatiarima dia: ny Jetreanina, ny Afoteanina, ny Semateanina ary ny Masereanina. Avy amin’izy ireo no niavian’ny Sareanina sy ny Estaôlianina.

54Zanaka lahin’i Salmà: i Betlehema sy ny Netofatianina, i Atarôta-Bety-Jôaba, ny antsasaky ny Manaktiana, ny Sareanina,

55mbamin’ny fokon’ny mpanoratra monina any Jabesa, dia ny Tiratianina, ny Skomatianina, ary ny Sokatianina. Ireo no Kineanina avy amin’i Hamata, rain’ny fianakavian’i Rekaba.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help