1Makabeo 3 - Malagasy Catholic Bible

3. I JODASA MAKABEO, FILOHAN’NY JODY (166-160 talohan’i Jesoa Kristy)Fiderana an’i Jodasy Makabeo

1Dia nitsangana nandimby azy i Jodasy zanany, atao hoe Makabeo.

2Nanampy azy avokoa ireo rahalahiny mbamin’izay rehetra nanatona homba an-drainy, niady an-kafaliana ny adin’i Israely.

3Nampitatra ny voninahitry ny fireneny izy, niakanjo fiarovan-tratra toy ny lehilahy mahery izy, namehy teo am-balahany ny fiadiany enti-miady dia nandrafitra ady, niaro ny tobin’i Israely tamin’ny sabany.

4Teo am-pikarohana izy, dia toy ny liona, sy nanahaka ny liona tanora mierona amin’ny rembiny.

5Nenjehiny ny mankahala ny fivavahana, nokarohiny hatrany am-piereny tany, ary nodorany amin’ny afo izay nanabataba ny fireneny.

6Nihemotra tsiravina teo anatrehany ny mpankahala ny fivavahana, nivadi-po avokoa izay rehetra mpanao ratsy; ary ny tanany nanatanteraka soa aman-tsara ny fanafahana ny fireneny.

7Ny asa nataony nampiditra alahelo mangidy tamin’ny mpanjaka maro, sy hafaliana tamin’i Jakôba; ary ny fahatsiarovana azy, hankalazaina mandrakizay.

8Nitety ny tananàn’i Jodà izy nandringana an’izay mankahala ny fivavahana, ka namily ny hatezerana tsy ho an’i Israely.

9Tonga nalaza hatrany am-paran’ny tany ny anarany, ary nangonina izay efa teo am-bavan’ny fahafatesana.

Fahombiazan’i Jodasy Makabeo(Jereo 2Mak 8,1-7)

10Namory miaramila mpanompo sampy i Apôlôniosy, dia tafika lehibe, nalainy tany Samaria, hiady amin’i Israely.

11Vao nilazana izany i Jodasy dia nandeha hamely azy, naharesy azy izy, dia namono nahafaty azy; maro ny fahavalo maty, ary ny sisa nandositra.

12Ka nobaboin’ny Jody ny fananany, ary nalain’i Jodasy ny sabatr’i Apôlôniosy, dia izay no nanaovany mandrakariva tamin’ny ady hatramin’izay.

13Nony ren’i Serôna filohan’ny tafiky ny Sirianina, fa hoe: nahavory olona betsaka i Jodasy, dia natokon’ireo Jody tsy nivadika, momba azy amin’ny ady, dia hoy izy:

14«Hamelon-tantara ny anarako aho, dia hahazo voninahitra amin’ny fanjakana, hiady amin’i Jodasy sy ireo momba azy izay naniratsira ny didin’ny mpanjaka.»

15Dia nanafika fanindroany tokoa izy; tafik’olona maro mpankahala ny fivavahana no niakatra niaraka taminy, mba hanampy azy, hamely ny zanak’i Israely.

16Nony mby akaikin’ny fiakaran’i Betorôna izy ireo, dia nandroso nitsena azy i Jodasy nomba-miaramila vitsy foana.

17Raha nahita ny tafika tamy hamely azy ny miaramilany, dia nanao tamin’i Jodasy hoe: «Hataontsika vitsy kely ireto ahoana no fiady amin’ireo vahoaka be loatra ireo? Indrindra fa isika dia efa reraka avy nifady hanina androany.»

18Fa hoy i Jodasy namaly azy ireo: «Zavatra mora foana ny hangenjàn’ny olona vitsy kely eo am-pelatanany ny vahoaka maro be; tsy misy hafa amin’ny Andriamanitry ny lanitra, ny mamonjy amin’ny maro na amin’ny vitsy.

19Satria ny fandresena amin’ny ady tsy avy amin’ny hamaroan’ny mpiady, fa avy any an-danitra no iavian’ny hery.

20Izy ireo mandroso hamely antsika, feno avona amam-pankahalana ny fivavahana, mba hamono antsika mbamin’ny vady aman-janatsika sy handroba antsika.

21Fa isika kosa miady hiaro ny aintsika sy ny lalàntsika.

22Koa homontsanin’Andriamanitra eo anoloantsika ireo; ka aza matahotra an’ireo ianareo.»

23Vao nitsaha-niteny izy, dia niantoraka tampoka tamin’izy ireo, ka resy i Serôna sady nahita ny tafiny montsana teo imasony.

24Nenjehin’i Jodasy nitsontsorika ny fidinan’i Betôrôna, hatrany amin’ny tany lemaka izy; 800 lahy no maty tamin’ny miaramilany, ary ny sisa nandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina.

25Izay vao niely ny tahotra an’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny, dia tsiravina ny firenena manodidina.

26Tonga hatrany amin’ny mpanjaka ny lazany, ary niresaka ny adin’ny Jodasy avokoa izay vahoaka.

Fiomanan’i Antiôkosy hamely an’i Persa sy i JodeaNy nitondran’i Lisiasy nisolo toerana.

27Nisafoakan’ny hatezerana i Antiôkosy mpanjaka, nandre izany vaovao izany, nanome didy izy sy namory ny miaramila rehetra teo amin’ny fanjakany, izay tafika lehibe dia lehibe.

28Nosokafany ny firaketany dia nomeny ny karamany amin’ny herintaona ny miaramilany, sady nandidy izy hatao vonona amin’izay rehetra hilana azy izy ireo.

29Hitany tamin’izay anefa fa tsy ampy ny vola tao am-batany, sady kely ny hetra avy amin’ny faritany, noho ny fikorontanana sy ny loza nampidiriny tamin’ny tany, tamin’ny nitadiavany hamongorana ny lalàna efa narahina hatramin’ny fahagolan-tany.

30Natahorany sao toraka izay efa nahazo azy matetika, ka tsy hanan-kandoavana ny lany sy hanomezam-be izy, fa efa fanaony taloha ny mitobatoba be loatra, sy mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany aza.

31Noho izany fahasahiranany mafy izany, tapa-kevitra ny ho any Persa izy hamory hetra amin’ireo faritany ireo sy hanangom-bola be.

32Ka dia i Lisiasy lehilahy ambony sy anisan’ny fianakavian’ny mpanjaka, no napetrany hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny sisin-tanin’i Ejipta,

33sy hikarakara an’i Antiôkosa zanany, mandra-piveriny.

34Napetrany aminy ny antsasaky ny miaramilany sy ny elefanta, ary nomeny didy izy hanatanteraka ny hevitra voakasany rehetra, indrindra ny amin’ny mponina any Jodà sy Jerosalema.

35Tsy maintsy handefa tafika i Lisiasy mbamin’izay sisa ao Jerosalema, ary hanafoana ny fahatsiarovana azy, amin’izany toerana izany,

36dia hamponina taranak’olon-kafa firenena eo amin’ny taniny rehetra, ka ireo no hizarany ny taniny amin’ny filokàna.

37Raha efa izany, nentiny homba azy ny antsasaky ny miaramilany, dia niala tao Antiôkia renivohitra ny mpanjaka tamin’ny taona faha-147, nita ny ony Eofrata dia namaky ny tany avo.

I Gorjiasy sy i Nikanôra nitarika ny tafik’i Siria tany Jodea(Jereo 2Mak 8,8-15)

38I Ptôlemea zanak’i Dôrimena sy i Nikanôra ary i Gorjiasy kapiteny mahay, sady sakaizan’ny mpanjaka, no nofidin’i Lisiasy,

39ary miaramila an-tongotra 40.000 sy an-tsoavaly 7.000 no nalefany hiaraka amin’izy ireo hiantafika any amin’ny tanin’i Jodà sy handrava azy, araka ny didin’ny mpanjaka.

40Dia niainga izy ireo, mbamin’ny miaramilany rehetra, ka nony tonga tany, dia nitoby teo amin’ny tany lemaka, akaikin’i Emaosa.

41Vao nandre ny fahatongavany ireo mpandranto teo amin’ny tany, dia nitondra volafotsy sy volamena betsaka ary parapaingo koa nentiny nankao amin’ny tobin’ny Sirianina hividiananay ny zanak’i Israely hataony andevo. Nikambana tamin’io tafika io koa ny miaramilan’i Siria sy ny teo amin’ny tanin’ny Filistinina.

42Hitan’i Jodasy sy ireo rahalahiny, fa nihamafòtaka ny raharaha sady efa mitoby eo amin’ny sisin-tany ny tafiky ny fahavalo; fantany koa ny didy nomen’ny mpanjaka mampandringana sy mampamongotra ny fireneny,

43ka dia nifampilaza izy ireo hoe: «Atsangano indray ny firenentsika rava; ary miadia ho an’ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika.»

44Dia nivory ny fiangonana, hioman-kiady sy hivavaka hangata-pitsimbinana amam-pamindram-po.

45Ary i Jerosalema dia tsy nisy mponina, fa toy ny efitra; ny zanany tsy nisy niditra na nivoaka teo; ny fitoerana masina voahosihosy, ny trano mimanda dia tanan’ny zanaky ny firenena hafa, fonenan’ny firenena izy. Niala teo amin’i Jakôba ny hafaliana, ary tsy re intsony ny filiotra amana harpa.

Fivorian’ny Jody tany Mispà(Jereo 2Mak 8,16-23)

46Nony tafavory izy ireo, dia nankao Masfà tandrifin’i Jerosalema, fa nisy fitoeram-pivavahana ho an’i Israely tao fahiny.

47Tamin’izany andro izany, izy ireo nifady hanina, nisamboritra lasàka, nanisy lavenona ny lohany, ary nandriatra ny fitafiany.

48Novelariny ny bokin’ny lalàna izay nokarohin’ny firenena hanoratany ny sarin-tsampiny,

49nentiny ny fitafiam-pisoronana, ary nasainy nanatona ny Nazareanina efa nahatapitra ny fotoan’ny voadiny;

50dia niantso tamim-peo avo nitaraina tamin’ny lanitra izy nanao hoe: «Inona no hataonay amin’ireto olona ireto, ary aiza no hitondranay azy?

51Ny fitoeranao masina efa voahosihosy sy voaloto, ny mpisoronao dia ao anatin’ny fisaonana aman-kenatra.

52Ary indreto tafavory hamely anay ny firenena mba hamongotra anay; fantatrao ny fikasany hamely anay.

53Hataonay ahoana no fahaleo azy ireo, raha tsy vonjenao izahay?»

54Dia nitsoka trômpetra izy ireo, ary nandefa feo fitarainana mafy.

55Nanaraka izany, nanendry mpifehy ny vahoaka i Jodasy, tomponarivo, tompon-jato, tompon-dimampolo, tompom-polo.

56Ary izay vao avy nanorin-trano, na nampaka-bady, na namboly voaloboka, mbamin’izay natahotra, dia nilazany mba hody any an-tranony avy araka ny lalàna.

57Raha efa izany dia niainga ny tafika, ka nandeha nitoby teo atsimon’i Emaosy.

58Ary hoy i Jodasy: «Misikìna ianareo, ary samia mitomban-dahy, mivonòna ho amin’ny rahampitso maraina, hiady amin’ireo firenena tafakambana hamono antsika ireo, dia isika sy ny fitoerana masintsika.

59Fa tsaratsara kokoa ho antsika ny maty mitam-piadiana toy izay mahita ny loza manjò ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika voaloto.

60Ary na inona na inona sitrapon’ny lanitra dia aoka ho tanteraka izany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help