1Akory ity hangidin’ny fahatsiarovana anao, ry fahafatesana,
ho an’ny velona am-piadanana ao anatin’ny hareny;
ho an’ny olona afaka ahiahy, sy ambinina amin’ny zavatra rehetra;
sady mbola afa-mankafy ny hafaliana amin’ny fihinanana.
2Ry fahafatesana ô, mahafinaritra ny fanapahanao,
ho an’ny tsy manana, ho an’izay efa lany hery,
ho an’ny antitra efa vesaran’ny taona sy sahiran’ny ahiahy tsy hita isa,
ho an’ny tsy mionona amin’ny anjarany sy manary toky.
3Aza matahotra ny fanapahan’ny fahafatesana:
tsarovy ireo mialoha anao, sy izay ho avy any aoriana any.
4Fanapahana nahatran’ny Tompo amin’ny nofo rehetra izany;
ary haninona ianao no hiodina amin’ny sitrapon’ny Avo Indrindra?
na velona folo taona ianao, na zato taona, na arivo taona;
any amin’ny Seoly mampaninona izay halavan’ny andro niainana.
Ny hanjò ny ratsy fanahy5Zanaka ratsy loatra ny zanaky ny mpanota,
izay miantrano matetika any amin’ny fonenan’ny mpankahala fivavahana.
6Ho rava no alehan’ny lovan’ny zanaky ny mpanota,
ary fahafaham-baraka no miraikitra amin’ny taranany.
7Faniratsirana no atolotry ny zanaka ny ray mpankahala fivavahana,
satria noho io ihany no nilatsahany amin’ny fahafaham-baraka.
8Loza ho anareo, ry olona mpankahala fivavahana,
izay mahafoy ny lalàn’Andriamanitra Avo Indrindra!
9Amin’ny nahaterahanareo, dia teraka ho an’ny fanozonana ianareo,
ary amin’ny fahafatesanareo, dia ny fanozonana no ho anjaranareo.
10Izay rehetra avy amin’ny tany dia miverina amin’ny tany;
toy izany koa ny mpankahala fivavahana avy amin’ny fanozonana,
ka mankany amin’ny faharavana.
Henatra11Malahelo ny olona noho ny amin’ny vatany,
fa ny anara-maharikorikon’ny mpanota ho foana.
12Tandremo tsara ny anaranao, fa haharitra ho anao izany
mihoatra noho ny rakitra volamena lehibe an’arivony.
13Ny andro iainana amim-piadanana azo isaina,
fa ny anarana soa kosa maharitra mandrakizay.
14Anaka, tandremo amim-piadanana ny fampianarako:
Fahendrena afenina, rakitra tsy hita;
Inona no ho asan’izy ireo?
15Aleo olona manafina ny hadalany,
toy izay olona manafina ny fahendreny.
16Koa manàna henatra amin’ny zavatra holazaiko izao.
fa tsy tsara ho fitahiry avokoa ny henatra rehetra,
ary tsy tsarain’ny olona araka ny marina avokoa ny zavatra rehetra.
17Manàna henatra ny amin’ny fijangajangana,
eo anatrehan’ny ray aman-dreninao,
ary ny amin’ny lainga eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny manam-pahefana;
18ny amin’ny heloka eo anatrehan’ny mpitsara sy ny mpifehy,
ny amin’ny fandikana ny lalàna, eo anatrehan’ny fiangonana sy ny vahoaka;
ny amin’ny tsy fahamarinana, eo anatrehan’ny namana aman-tsakaiza;
ny amin’ny halatra eo anatrehan’ny tany ama-monina.
19Amin’ny anaran’ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fanekeny,
ataovy henatra ny mitehin-kiho eo ambonin’ny mofo;
ny mihatsy eso amin’ny fandraisana amam-panomezana;
20ny mangina eo anatrehan’izay miarahaba anao;
ny mijery vehivavy janga;
21ny mampiamboho ny tavanao amin’ny havana;
ny maka ny anjarany sy ny fanomezana azy,
ary ny mitily vehivavy manam-bady;
22ny mivarilena amin’ny ankizy vavinao,
ka aza mijanona eo akaikin’ny fandriany;
aoka ho menatra ny manao teny maharary eo anatrehan’ny sakaizanao ianao
ary aza mandatsa rehefa avy nanome.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.