1 Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna.
Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano,
miasa foana izay manorina azy.
Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna,
miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.
2Tsy misy vokany ny fifohazanareo mbola tsy mipoaka ny andro,
sy ny iaorianam-pandriana,
mihinana ny hanim-pahoriana.
Fa ny malalany dia omeny tsy latsaka izany eo am-patoriany fotsiny.
3Indro fa lova avy amin’i Iaveh ny zanaka;
valisoa ny aloaky ny kibo miteraka.
4Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mpiady,
toy izany koa ny zanaky ny fahatanorana.
5Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’izany,
fa tsy ho menatra raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.