1Hitan’i Jônatasy fa fotoana tsara tamin’izay, ka nifidy olona izy, nalefany tany Rôma, hanamafy sy hanavao ny fihavanan’ny Jody amin’ny Rômanina.
2Nandefa taratasy ho any amin’ny Sparsiata sy ny tany hafa koa, hanao araka izany.
3Dia nakany Rôma ireo, ka niditra tao amin’ny parlemanta, nanao hoe: «Nirahin’i Jônatasy mpisorona lehibe sy ny firenena Jody ho atỳ aminareo izahay hanavao ny fihavanana amam-panekena amin’izy ireo toy ny teo aloha.»
4Ary ny parlemanta nanome taratasy azy ireo, ho an’ny manam-pahefana rômanina any amin’ny isan-tanàna avy nandidy azy hanao izay hiverenan’izy ireo soa aman-tsara any amin’ny tanin’i Jodà.
5Izao no kôpian’ny taratasy nalefan’i Jônatasy ho any amin’ny Sparsiata:
6«I Jônatasy mpisorona lehibe, ny parlementan’ny firenena ary ny mpisorona mbamin’ny vahoaka Jody sisa, manoratra ho an’ny Sparsiata rahalahiny: arahaba!
7Tany aloha dia efa nisy taratasy noraisin’i Oniasa mpisorona lehibe, nampitondrain’i Areiôsa izay nanjaka taminareo fahizany, nanamarina fa rahalahinay ianareo, araka ny hita amin’ny kôpia eo ambany.
8Noraisin’i Oniasa tamim-panajana ilay olona nirahina, noraisiny koa ilay taratasy milaza mazava ny fanekena amam-pihavanana.
9Na dia tsy mila izany zavatra izany aza izahay, fa manana ny Boky masina eo am-pelatananay ho fiononam-po,
10dia mba nanandrana naniraka atỳ aminareo ihany izahay, hanavao ny fihavanana amam-pifankatiavana manakambana antsika, mba tsy ho zary olon-kafa aminareo izahay; fa taona maro izay no efa lasa, hatramin’ilay nanirahanareo ho atỳ aminay.
11Izahay aloha amin’ny fotoana rehetra dia mahatsiaro anareo mandrakariva, amin’ny fety lehibe fanaonay, amin’ny andro masina hafa, amin’ny sorona aterinay, ary amin’ny vavakay, araka izay mety sy tokony hahatsiarovana izay havana.
12Mifaly izahay amin’ny fiadananareo.
13Fa izahay kosa hodidinin-doza maro aman’ady tsy an-kijanona, iadian’ireo mpanjaka manodidina anay.
14Tamin’izany izahay, dia tsy nety nanahirana anareo, na ianareo na ireo havanay sy sakaizanay hafa koa.
15Fa manana ny vonjy avy any an-danitra hanampy anay izahay ka afaka izahay ary voatery ny fahavalonay.
16Izany no nifidiananay an’i Nomeniôsa zanak’i Antiôkosy, sy i Antipatera zanak’i Jasôna, ka nanirahanay azy ireo ho any amin’ny Rômanina mba hanavao ny fihavanana amam-panekena taloha amin’izy ireo.
17Dia nohafaranay izy ho atỳ aminareo koa, mba hiarahaba anareo sy hitondra ny taratasinay momba ny fanavaozana ny fihavanantsika.
18Ary ankehitriny, ny mamaly ny amin’izany no mety hataonareo.»
19Izao no kôpian’ny taratasy efa nampitondraina tamin’i Oniasa:
20«I Areiôsa mpanjakan’ny Sparsiata, manoratra ho an’i Aniasa mpisorona lehibe, Arahaba!
21Misy soratra momba ny Sparsiata sy ny Jody nahitana fa mpihavana izy firenena roa ireo, ary samy taranak’i Abrahama.
22Ka amin’izao ahalalantsika an’izany izao, tsara raha manoratra ho anay ny amin’ny toe-piadananareo ianareo.
23Ary izahay koa dia hanoratra ho anareo torak’izany. Fa anay ny biby fiompinareo sy fanananareo, ary anareo ny anay. Efa nahazo didy hanao filazana aminareo ny amin’izany ireo izay mitondra ity taratasy ity.»
I Jônatasy tany Sele-Siria. I Simôna tany Filistia24Nilazana i Jônatasy fa niverina hamely azy ireo jeneralin’i Demetriosa, mitondra tafika lehibe lavitra noho ny teo indray.
25Ka niala tao Jerosalema izy, dia lasa nitsena azy hatrany amin’ny tanin’i Emata.
26Nandefa mpitsikilo ho any an-tobiny izy; nony tafaverina ireo, nilaza fa nikasa hanao sovok’ady amin’ny alina ny Sirianina., fa tsy navelany hahita fotoana hitsofohana amin’ny taniny akory.
27Nony maty ny masoandro dia nodidian’i Jônatasy ny momba azy hiari-tory, hitam-piadiana tontolo alina ho vonon-kiady, ary nalefany ny mandry tsy aman’afo hipetraka manodidina ny toby.
28Ren’ny fahavalo anefa fa mijìdina vonon-kiady i Jônatasy sy ny momba azy, ka raiki-tahotra izy, nangorohoro ny fony, narehiny ny afo teo an-tobiny, dia lasa nandositra izy.
29Maraina ihany vao fantatr’i Jônatasy sy ny momba azy ny nandosiran’izy ireo, satria hitany ny afo mirehitra.
30Izay i Jônatasy dia lasa nanenjika azy, nefa tsy nahatratra azy intsony, fa efa tafita ny ony Eleotera izy.
31Ka nihodina ho any amin’ireo Arabo atao hoe Zabadeanina i Jônatasy; noreseny ireo, dia nobaboiny ny ananany.
32Avy eo izy, dia nankany Damasa, sy nitety ny faritany rehetra.
33I Simôna koa teo an-daniny, niainga nandroso ka tonga hatrany Askalôna sy hatrany amin’ireo trano mimanda akaiky; dia nihodina nankany Jôpe sy nitana an’io,
34satria reny fa mikasa hanolotra ny trano mimanda amin’i Demetriosa ny mponina; dia nametrahany miaramila mponina teo, hiandry ny tanàna.
Asa tao Jerosalema35Nony tafaverina tao Jerosalema i Jônatasy, novoriny ny loholon’ny vahoaka dia tapa-kevitra izy sy ireo, fa hanorina trano mimanda amin’i Jodea;
36hanondrotra ny mandan’i Jerosalema, hanisy manda avo eo anelanelan’ny trano mimanda sy ny tanàna, hampisaraka azy roa ireo, mba hiavahan’ny trano mimanda sy tsy hahazoana mivarotra na mividy ao.
37Nisy mpiasa voavory hanao ny tanàna, ka dia ny manda miorina eo ambonin’ny ranon-driaka Sedrôna any atsinanana aloha no nanombohany ny asa, ka namboarina ilay laniny atao hoe Kafenatà.
38I Simôna kosa indray tetsy an-daniny, nanorina an’i Hadidà, eo amin’ny Sefelà, dia nanisy vavahady sy hidiny azy.
Teo am-pelatanam-pahavalo i Jônatasy39I Trifôna anefa naniry ho tonga mpanjakan’i Asia, sy hitondra ny diadema, ary hisambotra an’i Antiôkosy mpanjaka.
40I Jônatasy no natahorany tsy hamela azy hanao izany sy hiady hanohitra azy, ka izay hevitra hisamborana ny tenan’io sy hamonoana azy no notadiaviny. Dia roso izy, ka tonga tao Betsàna.
41Fa niroso hitsena azy koa i Jônatasy nitondra miaramila 40.000 mpiady voafantina, nandroso ho any Betsàna.
42Raha nahita an’i Jônatasy tonga nomban-tafika lehibe i Trifôna dia tsy sahy nisambotra azy,
43fa nandray azy tamim-boninahitra ary nanafatra ireo sakaizany rehetra handray azy tsara, nanolotra fanomezana ho azy, nandidy ny miaramilany hanoa azy toy ny tenany.
44Ary hoy izy tamin’i Jônatasy: «Ahoana ange no dia nanasaranao ireo vahoaka rehetra ireo, nefa tsy misy ady tsinona amintsika?
45Koa ampodio ho any an-tranony ireo, fa izay vitsivitsy hanaraka anao no fidio, dia ndeha hiaraka amiko ho any Ptôlemaisa fa hatolotro anao io tanàna io, mbamin’ny trano mimanda hafa koa, ny miaramila hafa, ary ny manam-boninahi-panjakana rehetra, vao hiverina any Antiôkia aho, fa izany ihany no nankanesako atỳ.»
46Nino azy i Jônatasy ka nanao araka izay nolazainy, nampodiny ny tafiny, dia niverina ho any Jodea ireo.
47Telo arivo monja no notanany tao aminy, ka ny 2.000 tamin’ireo indray, nalefany ho any Galilea, ka 1.000 sisa no nanaraka azy.
48Kanjo nony vao tafiditra tao Ptôlemaisa i Jônatasy dia nohidian’ny mponina ny vavahady ka nosamboriny izy, dia novonoiny tamin’ny sabatra avokoa izay rehetra niara-niditra taminy.
49Tamin’izay ihany koa, dia nandefa miaramila ama-mpitaingin-tsoavaly i Trifôna ho any Galilea sy amin’ny tany lemaka lehibe, hamono ny miaramilan’i Jônatasy rehetra.
50Nefa nandre kosa ireo fa hoe voasambotra i Jônatasy sady niara-novonoina tamin’izay rehetra nanaraka azy; ka nifamporisika teo izy, dia rafitra nandroso, nilahatra tsara, vonon-kiady.
51Nony hitan’ireo nanenjika azy fa vonon-kiaro ny ainy izy ireo, dia niverina ilalana izy;
52fa izy rehetra ireo kosa nody tsy nisy mpanelingelina amin’ny tanin’i Jodea. Nitomany an’i Jônatasy sy ny namany izy ireo, ary raiki-tahotra mafy izy: nanao fisaonana lehibe avokoa i Israely rehetra.
53Tamin’izany ny firenena manodidina, nitady handevona azy avokoa, fa hoy izy:
54«Efa tsy manan-doha na mpanampy na iza na iza izy ireo, ka ndeha hasiantsika amin’izao, ataovy levona ny fahatsiarovana an’ireo, ao amin’ny olombelona.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.