Salamo 117 - Malagasy Catholic Bible
SALAMO 117 (Volgata 116)Fiantsoana ny olona hidera
1Miderà an’i Iaveh ianareo, ry firenena rehetra,
mankalazà Azy, ry vahoaka rehetra!
2Fa lehibe ny hatsaram-pony amintsika,
ary maharitra mandrakizay ny fahamarinan’i Iaveh.
Aleloia!