1Izaho no ilay olona nahita ny fahoriana
tamin’ny tsora-kazon’ny fahatezerany.
2Nentiny sy nampandehaniny aho
tamin’ny haizina fa tsy tamin’ny mazava.
3Izaho irery no asiany
dia asian’ny tanany mandritra ny andro.
BET4Ny nofo aman-koditro, nataony korotika;
ny taolako notapatapahiny.
5Nanorina izay hamelezany ahy izy;
notemerany ny mangerokeroka sy mahasorisorena aho.
6Nampitoeriny amin’ny maizina,
toy ny efa maty fahagola aho.
GIMEL7Nohodidininy tamboho aho, tsy ho afa-mivoaka;
novesarany gadra vy.
8Na mitaraina sy miangavy aza aho,
tampenany avokoa ny fidiran’ny fivavahako.
9Notampenany vato voapaika ny lalako;
nakorokorony ny sakeli-dalako.
DALET10Mova izy amiko tsy ny orsa manotrika
sy ny liona manotrika iny.
11Naviliny ny lalako, dia noviravirainy aho,
ka nataony fandao!
12Nanenjika ny tsipìkany izy; dia izaho no napetrany
hokendreny amin’ny zana-tsipìkany.
HE13Natanterany ny valahako
ny zanaky ny tranon-jana-tsipìkany;
14efa fihomehezan’ny vahoakako rehetra aho,
ataony an-kira mandritra ny andro.
15Novokisany zava-mangidy aho,
nobobòhany absinta.
VAO16Nampikosohiny fasika ny nifiko;
nasitriny tao anaty lavenona aho.
17Ny fanahiko voasintona mafy lavitra ny fahatokiana,
ny fifaliana efa hadinoko,
18ka hoy aho: «Very ny heriko,
mbamin’ny fanantenako an’i Iaveh.»
ZAIN19Tsarovinao ny fahoriako amam-pijaliako,
ny absinta aman’afero!
20Mahatsiaro izany mandrakariva ny fanahiko,
ka reraka ato anatiko izy.
21Izao no hotsarovako ato anatin’ny foko,
ka dia izany no mba hanantenako.
HET22Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika,
fa tsy lany ny famindram-pony.
23Mihavao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao!
24I Iaveh no anjarako, hoy ny fanahiko,
koa Izy no hanantenako.
TET25Tsara fo i Iaveh amin’izay manantena Azy,
amin’ny fanahy mitady Azy.
26Tsara ny miandry amim-panginana,
ny famonjen’i Iaveh.
27Tsara ho an’ny olona ny mitondra
ny jioga hatramin’ny fahatanorany.
IOD28Aoka hitoetra irery amim-panginana izy,
raha ampitondrain’Andriamanitra an’izany.
29Aoka hanohoka ny vavany amin’ny vovoka izy;
angamba misy hantenaina!
30Aoka hanolotra ny takolany amin’izay mamely azy izy;
aoka hivoky latsa izy!
KAF31Satria ny Tompo tsy manary mandrakizay;
32fa raha mampahory Izy, dia mangoraka,
araka ny famindram-pony lehibe;
33Ary tsy satriny ny manetry,
na mampahory ny zanak’olombelona.
LAMED34Raha hitsakitsahin’ny olona amin’ny tongony,
ny babo rehetra amin’ny tany;
35raha manana ny rariny no ampandeferin’ny olona,
eo anatrehan’ny Avo indrindra;
36raha misy mampidi-doza ny olona amin’ny adiny,
moa tsy ho hitan’ny Tompo va izany?
MEM37Iza moa no niteny, dia tanteraka izany,
raha tsy efa voadidin’ny Tompo?
38Tsy avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra va no mivoaka
ny soa sy ny loza?
39Ka ahoana no itarainan’ny olombelona raha mbola velona izy?
Aoka ny fahotany avy no sampy hitarainany!
NON40Aoka isika samy handinika ny lalany sy hamantatra azy,
ka hiverina amin’i Iaveh,
41amin’Andriamanitra any an-danitra:
Asondroty ny fontsika mbamin’ny tanantsika.
42Izahay dia efa nanota, efa niodina;
Ianao tsy namela heloka.
SAMEK43Nisarona ny fahatezeranao Ianao, dia nejehinao izahay,
novonoinao tsy nanananao antra:
44Nisarona rahona Ianao,
tsy hisy hidiran’ny fivavahana.
45Nataonao fakofako amam-paikan-javatra
eo afovoan’ny firenena izahay.
PHE46Misanasana vava aminay avokoa
ny fahavalonay rehetra;
47ny tahotra aman-davaka no anjaranay,
sy ny fandravana amam-pandringanana.
48Ranomaso mandriaka no mijononòka amin’ny masoko,
noho ny fandravana ny zanaka vavin’ny vahoakako.
AIN49Mitomany tsy mijanona ny masoko,
satria tsy misy hiainana,
50mandra-pitsinjony sy ijeren’i Iaveh
any an-tampon’ny lanitra.
51Mampidi-pahoriana amin’ny fanahiko ny masoko,
noho ny amin’ireto zanaka vavin’ny tananako rehetra.
TSADE52Manenjika ahy, hoatra ny fanenjika fody,
ireo mpankahala ahy tsy ahoana tsy ahoana.
53Nitady hamono ny aiko tao anatin’ny lavaka izy ireo,
dia efa nandatsaka vato hanindry ahy.
54Nisondrotra mihoatra ny lohako ny rano,
ka hoy aho: «Maty aho!»
KOF55Iaveh ô, niantso ny Anaranao
tany anaty lavaka lalina aho.
56Renao ny feoko: «Aza manentsin-tadìny,
amin’ny fisentoako, amin’ny fitarainako!»
57Tamin’ny andro niantsoako anao, nanatona Ianao,
dia nanao hoe: «Aza matahotra!»
RESH58Tompo ô, niandraikitra ny adiko Ianao,
namonjy ny aiko.
59Hitanao, ry Iaveh, ny anaovany an-keriny amiko,
omeo ny rariny aho!
60Hitanao avokoa ny lolom-pony
sy ny fiokoan’izy rehetra hamely ahy.
SHIN61Renao avokoa, ry Iaveh, ny latsa ataony,
ny fiokoan’izy rehetra hamely ahy,
62ny resaky ny fahavaloko mbamin’ny fisainany
hamely ahy mandritra ny andro.
63Jereo, fa na mipetraka izy ireo na mitsangana,
dia izaho no ataony an-kira.
TAO64Valio araka ny mendrika azy ireo izy, ry Iaveh ô!
araka ny asan’ny tanany.
65ataovy jamba ny fony;
atokano ho azy ny ozonao.
66Enjeho an-katezerana izy, ary fongory,
tsy ho etỳ ambanin’ny lanitr’i Iaveh!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.