1Ary i Naasy Amônita niakatra dia nitoby teo anoloan’i Jabesy any Galaada. Ka hoy ny mponina rehetra tany Jabesy tamin’i Naasy: «Manaova fanekem-pihavanana aminay dia hanompo anao izahay.»
2Fa izao no navalin’i Naasy Amônita azy ireo: «Hifampiraharaha aminareo aho, raha manaiky ianareo ny hamotsirako tsirairay ny masonareo rehetra ankavanana, mba hanalako baraka an’i Israely rehetra.»
3Ka hoy ny loholon’i Jabesy taminy: «Mba omeo andro hafitoana àry izahay handefasanay iraka ho any amin’ny faritanin’i Israely rehetra; ka raha tany tsy misy olona hamonjy anay, dia hitolo-tena aminao izahay.»
4Nankany Gabaàn’i Saola ny iraka, dia nilaza izany zavatra izany mba ho ren’ny vahoaka, ka nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ary nitomany.
5Ary indro fa tonga avy any an-tsaha, nandroaka ny ombiny i Saola tamin’izay, ka hoy i Saola hoe: «Maninona ity vahoaka no mitomany?» Dia nambaran’ny olona azy ny voalazan’ny olona avy any Jabesy.
6Vao nandre izany teny izany i Saola, dia nilatsaka taminy ny Fanahin’i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany.
7Naka omby roa izy, norasarasainy ho madinika, dia nampitondrainy iraka ho any amin’ny faritanin’i Israely rehetra nataony hoe: «Na zovy na zovy tsy handeha manaraka an’i Saola sy i Samoela dia hatao tahaka ireny ny ombiny.» Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny vahoaka, ka indray niainga toy ny olona iray ihany izy rehetra.
8Notsapain’i Saola tamin’ny matso ny toetrany tany Bezeka, ka telo hetsy no isan’ny zanak’i Israely, ary telo alina ny lehilahy amin’i Jodà.
9Dia hoy izy tamin’iretsy iraka tonga: «Lazao amin’ny olona any Jabesy any Galaada fa rahampitso ilay efa mahery iny ny andro dia hahazo famonjena ianareo.» Nambaran’ny iraka tamin’ny olona tany Jabesy izany, ka feno hafaliana izy ireo.
10Ary hoy ny olona tany Jabesy tamin’ny Amônita: «Rahampitso hitolo-tena hanaiky anareo izahay ka dia hataonareo aminay izay tianareo.»
11Nony ampitso, nozarain’i Saola ho telo toko ny vahoaka dia nankany an-tobin’ny Amônita, tamin’ny fiambenana maraina izy ireo, ka namely azy ireo mandra-pahafanàn’ny andro. Nielipatrana izay afa-nitsoaka ka tsy nisy tafaraka na roa monja aza.
I Saola natsangana ho mpanjaka12Ary hoy ny vahoaka tamin’i Samoela: «Zovy moa no nilaza hoe: Dia i Saola ve no hanjaka aminay? Atolory anay izany olona izany fa hataonay maty.»
13Fa hoy i Saola: «Tsy misy olona hatao maty anio, fa androany no namonjen’i Iaveh an’i Israely.»
14Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka: «Andeha isika ho any Galgalà, hanavao ny fanjakana any.»
15Dia nankany Galgalà ny vahoaka rehetra ka nanangana an’i Saola ho mpanjaka, teo anatrehan’i Iaveh, tany Galgalà, ary teo no nanateran’izy ireo sorom-pisaorana teo anatrehan’i Iaveh; ary teo i Saola sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely dia nanao firobirobiana fatratra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.