1 Fihirana nataon’i Davida: Fony izy tao amin’ilay zohy . Fivavahana.
2Mitaraina amin’i Iaveh amin’ny feoko aho,
mitalaho amin’i Iaveh amin’ny feoko:
3Mamboraka eo anatrehany ny fitarainako aho,
mamosaka eo anatrehany ny fahoriako.
4Raha reraka ato anatiko ny fanahiko,
dia fantatrao ny lalako,
fantatrao fa any an-dalana izorako,
amelaran’ireny fandrika hamelezana ahy.
5Topazo maso eo ankavanana ka zahao:
tsy misy mahalala ahy akory;
ny fialofako tsy misy velively,
tsy ahoan’ny olona akory ny aiko.
6Mitaraina aminao aho, ry Iaveh,
hoy aho: «Ianao no fialofako,
anjarako eo amin’ny tanin’ny velona.»
7Atongilano ny sofinao amin’ny fitarainako,
fa fadiranovana izaitsizy aho,
afaho amin’ireo manenjika ahy aho,
fa mahery noho izaho izy ireo.
8Esory amin’ity tranomaizina ity ny fanahiko,
mba hankalazako ny Anaranao,
hahazo voninahitra miaraka amiko ny marina,
noho ny nanasoavanao ahy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.