Zakaria 5 - Malagasy Catholic Bible

Fisehoana hita fahenina: ilay boky manidina

1Natopiko indray ny masoko, ka nahita aho: Ary indro nisy horonan-taratasy nanidina.

2Ary hoy izy tamiko: «Inona no hitanao?» Ka hoy aho: «Horonan-taratasy manidina, roapolo hakiho ny lavany, folo hakiho ny sakany, no hitako.»

3Dia hoy izy tamiko: «Io no ozona mivoaka ho eo ambonin’ny tany rehetra; fa araka ny voasoratra ao, izay rehetra mangalatra, hosorohina hiala eto; ary araka ny voasoratra ao, izay rehetra mianiana hosorohina hiala eto.

4Izaho no nandefa izany ozona izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ka ho tonga ao amin’ny tranon’ny mpangalatra sy amin’ny tranon’ny mianiana tsy tò amin’ny Anarako, dia hitoetra ao afovoan’izany trano izany ary handevona azy mbamin’ny hazony sy ny vatony.»

Fisehoana hita fahafito: ilay vehivavy anaty vata famarana

5Niseho indray ilay Anjely niresaka tamiko, ary nanao tamiko hoe: «Atopazo ny masonao, ka jereo io miseho io.» Dia hoy aho: «Inona io?»

6Ary hoy izy: «Ny efah no miseho»; sady nampiany hoe: «Mifantoka amin’io avokoa ny fijerin’izy ireo, any amin’ny tany rehetra.»

7Ary indro nisy vongam-pìraka boribory naingaina, ary nisy vehivavy anankiray nipetraka teo afovoan’ny efah.

8Dia hoy izy hoe: «Io vehivavy io no haratsiam-panahy.» Dia natosiny ho ao afovoan’ny efah izy io, sady natontany teo am-bavan’io ilay vongam-pìraka.

9Ary natopiko ny masoko, dia nahita aho. Ary indro nisy vehivavy roa niseho, ka ny rivotra, nitsoka tamin’ny elany; nanana elatra toy ny an’ny vano izy; ary ny efah nentiny ho eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany.

10Ka hoy aho tamin’ilay vehivavy niresaka tamiko: «Hoentiny ho aiza ity efah?»

11Dia hoy ny navaliny ahy: «Hoentiny hanaovan-trano ho azy, any amin’ny tany Senaara, ka rehefa voaorina izany, dia hapetraka ao izy, ao amin’ny fitoerany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help