Estera Grika 11 - Malagasy Catholic Bible

Nofin’i Mardokea

1Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Ptôlemea sy i Kleopatra, i Dositea izay nilaza azy ho mpisorona, avy amin’ny taranak’i Levì, sy i Ptôlemea zanany, dia nitondra izany taratasy momba ny Frorai izany, izay lazain’izy ireo ho tena marina sy nadikan’i Lisimaka, zanak’i Ptôlemea ao Jerosalema.

2Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asoerosy mpanjaka lehibe, andro voalohan’ny volana Nisàna, dia nanonofy i Mardokea, zanak’i Jaira zanak’i Semeì zanak’i Sisa, avy amin’ny firenen’i Benjamina.

3Izy io dia Jody, nipetraka tao an-tanànan’i Sosa, lehilahy malaza anisan’izay ao an-dapan’ny mpanjaka.

4Isan’ny babo nentin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, avy any Jerosalema, niaraka tamin’i Jekôniasa, mpanjakan’i Jodà izy.

5Izao no nofiny: Tampoka, injay nisy feo, tabataba be aman-kotrobaratra, ary nihorohoro sy nikorontana ny tany.

6Tampoka indray, nisy dragona roa lehibe nandroso samy vonon-kiady.

7Nandefa feo mafy izy ireo, ka tamin’ny feony, dia nivonon-kiady ny firenena rehetra, hamely ny vahoakan’ny olo-marina.

8Tampoka indray, nisy andro maizina sy haizim-pito, nisy horohoro aman-tebiteby, sy fahoriana amam-pivadiham-po teto ambonin’ny tany.

9Natahotra ny hozoin’ny loza mafy indrindra ny vahoakan’ny olo-marina manontolo ka velom-panahiana sy nioman-ko faty.

10Nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, ary tamin’ny fitarainany, dia nisy toa loharano kely, nivoahan’ony lehibe sy rano be.

11Dia namirapiratra ny hazavana sy ny masoandro, ka tafasandratra ireo tanatin’ny fahazimbana, ka nandrapaka ireo tanatin’ny voninahitra.

12Nony avy nahita izany nofy izany sy izay efa nokasain’Andriamanitra hatao i Mardokea, dia nifoha sy nitana izany tao an-tsainy, ary nanao izay tratry ny ainy, mandra-pahalin’ny andro, hahalala izay hevitr’izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help