Mpitsara 17 - Malagasy Catholic Bible

FANAMPINY1. TRANOMASIN’I MIKASY SY TRANOMASIN’I DANATranomasina manokan’i Mikasy

1Nisy lehilahy anankiray atao hoe Mikasy avy amin’ny tendrombohitr’i Efraima,

2nilaza tamin-dreniny hoe: «Ilay vola zato amby arivo sikla izay nalain’olona taminao sy nanononanao ozona, ary ren’ny sofiko aza ny nanononanao izany, dia indro eto an-tanako izany vola izany, izaho no naka.» Ary hoy ireniny: «Hotahin’i Iaveh anie ny zanako.»

3Naveriny tamin-dreniny ilay vola zato amby arivo sikla, dia hoy ireniny: «Ny tanako no manolotra izany vola izany amin’i Iaveh, mba ho an’ny zanako, hanaovana sarin-javatra voasikotra sy zavatra anidina; koa ankehitriny averiko aminao izy.»

4Rehefa voaveriny tamin-dreniny ny vola, dia nangalan-dreniny roan-jato sikla, nomeny ny mpanao anidina, ka nanaovany sarin-javatra voasikotra sy zavatra anidina, ary natao tao an-tranon’i Mikasy ireny.

5Fa nanana tranon’Andriamanitra io Mikasy io. Nanao efôda sy terafima izy, ary ny anankiray tamin’ny zanany lahy dia natokany nataony mpisorony.

6Tsy nisy mpanjaka tamin’i Israely tamin’izany andro izany, ka samy nanao izay sitraky ny fony izy ireo.

7Ary nisy zatovo lahy anankiray avy any Betlehema any Jodà, avy amin’ny fokon’i Jodà, Levita izy io, ary nitoetra tao amin’izany tany izany.

8Niala tao Betlehema any Jodà ralehilahy io, hahitany toerana hipetrahana, ka izany no nahatongavany tany amin’ny tendrombohitra Efraima sy tao an-tranon’i Mikasy.

9Ary hoy i Mikasy taminy: «Avy aiza moa ianao?» Ka hoy ny navaliny azy: «Levita avy any Betlehema any Jodà aho, fa mivahiny aho hahitako toerana hipetrahako.»

10Dia hoy i Mikasy taminy: «Mitoera atỳ amiko, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko ianao, fa omeko vola folo sikla isan-taona, mbamin’ny fitafiana ilainao sy ny sakafo.» Dia niditra ilay Levita.

11Ka ny Levita nanaiky hitoetra tao amin’io lehilahy io ka noraisiny ho toy ny anankiray amin’ny zanany ilay tovolahy.

12I Mikasy nanokana ity Levita, dia tonga mpisorona ho azy io ilay tovolahy, ary nitoetra tao an-tranon’i Mikasy.

13Ary hoy i Mikasy hoe: «Fantatro ankehitriny, fa hanisy soa ahy i Iaveh satria manana an’ity Levita ity ho mpisorona aho.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help