1Ary i Jakôba namory ny zanany lahy, ka nanao taminy hoe: «Mivoria ianareo, fa hambarako aminareo izay ho tonga aminareo any an-parany any:
2Mivoria, ry zanaka lahin’i Jakôba, ka mihainoa:
Mihainoa an’i Israely rainareo.
3I Robena ô, ianao lahimatoako.
Heriko sy voalohan-teraky ny tanjako,
ka manan-tombom-boninahitra, manan-tombom-pahefana,
4nandroadroatra toy ny rano ianao, ka tsy hanana ny fiamboniana!
Fa niakatra tamin’ny fandrian-drainao ianao,
Ka nandoto ny fandriako tamin’ny niakaranao tao.
5I Simeôna sy i Levy dia mpirahalahy,
Fiadiana enti-manao an-kery ny sabany.
6Aza miditra amin’ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko,
Fa nanao vonoana olona tamin’ny fahatezerana izy,
ary nahatraingo ombalahy tamin’ny fisafoahany.
7Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany;
ary koa ny fahavinirany, fa loza izany.
Hizarazara azy amin’i Jakôba aho,
ary hampihahaka azy amin’i Israely.
8Ry Jodà, ianao hoderain’ny rahalahinao;
ny tananao ho eo amin’ny vozon’ny fahavalonao;
ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.
9Liona tanora i Jodà:
Niakatra avy nandripaka ianao, anaka;
Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona,
Fandrin-diom-bavy, zovy no hanaitra azy?
10Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana,
tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehina fanapahana,
mandra-piavin’i Silô:
Izy no hotoavin’ny firenena.
11Mamatotra ny zanak’ampondrany amin’ny voaloboka izy
ary ny zanak’ampondravaviny amin’ny tahom-boaloboka.
Sasàny amin’ny divay ny fitafiany,
ary amin’ny ran’ny voaloboka ny kapaotiny.
12Mena ny masony azon’ny divay,
Ary fotsy ny nifiny azon’ny ronono.
13I Zabolôna monina amoron-dranomasina,
Dia eo amoron’ny fitodian-tsambo,
Mifanolotra amin’i Sidona ny sisin-taniny.
14I Isakara dia ampondra tomady,
Mandry eo anatin’ny valany;
15Hitany fa tsara ny fialan-tsasatra,
sady mahafinaritra ny tany,
Dia nahilany hitondra entana ny sorony,
ka tonga mpanompo mandoa hetra izy.
16I Dana dia mitsara ny olony,
tahaka ny hafa rehetra amin’ny fokon’i Israely.
17Bibilava eo an-dalana i Dana,
menarana eo an-tsakeli-dalana izy;
kaikeriny ny kitrokelin-tsoavaly,
Mba hitatàvoka mitsilany ny mpitaingina azy,
18Ny famonjena no antenaiko, ry Iaveh!
19I Gada dia poritin’andian’olona mitam-piadiana;
Nefa mba poritiny amin’ny ombalahin-tongony koa indray ireny.
20I Asera no iavian’ny hanina matsiro,
izy no mamonona ny hanim-py ho an’ny mpanjaka.
21I Neftalì dia serfa vavy mikarenjy;
mamoaka teny mahafinaritra izy.
22I Josefa no solofon-kazo mahavokatra,
solofon-kazo mahavokatra amoron-doharano izy;
Misandratra tafahoatra ny tamboho ny rantsany.
23Mihaika azy ny mpandefa zana-tsipîka,
Mandefa zana-tsipîka aminy sy mamely azy,
24Mateza hery anefa ny tsipîkany.
Tonga mailaka ny sandry aman-tanany,
avy amin’ny tanan’ilay maherin’i Jakôba,
ilay Mpiandry sy Vatolampin’i Israely.
25Avy any amin’ny Andriamanitry ny rainao
- hitahy anao anie Izy!
Sy avy any amin’ilay mahefa ny zavatra rehetra
- hanisy soa anao anie Izy!
no hahazoanao ny tso-drano avy amin’ny lanitra ambony,
ny tso-drano avy amin’ny hantsana lalina ambany
ny tso-drano avy amin’ny nono aman-kibon-dreny,
26ny tso-dranon-drainao mihoatra
Ny tso-dranon’ny tendrombohitra fahagola,
sy ny hatsaran-tarehin’ny havoana mandrakizay.
Ho eo an-dohan’i Josefa anie izany,
dia ho eo an-kandrin’ilay andrian’ny rahalahiny!
27I Benjamina dia amboadia mamiravira;
maraina izy homan-dremby,
hariva izy mizara babo.»
28Ireo rehetra ireo no niavian’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely; toy izany no nolazain-drainy taminy sy nitsofany rano azy. Notsofiny rano samy araka ny tso-dranony manokana avy izy.
Ny niafaran’ny fiainan’i Jakôba sy ny nahafatesany29Raha efa izany, izao no hafatra napetrany tamin’izy ireo: «Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako, anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna Heteanina,
30anatin’ny zohy amin’ny saha Makpelà, tandrifin’i Mambre, any amin’ny tany Kanaana: dia izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Hetenianina, hananany fasana ho azy.
31Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny. Tao no nandevenana an’i Isaaka sy i Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an’i Lià.
32Tamin’ny taranak’i Heta, no nividianana ny saha mbamin’ny zohy ao aminy.»
33Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voaangona any amin’ny razany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.