Tobia 11 - Malagasy Catholic Bible

10. Ny maso nahiratra

1Nony niverina izy ireo, ka tonga tao Karàna, tanàna eo amin’ny fisasahan-dalana mankany Niniva, tamin’ny andro faha-11,

2dia hoy ity Anjely: «Ry Tobia rahalahiko, fantatrao ny toetra nandaozanao an-drainao teo;

3ka raha sitrakao andeha isika hialoha, fa avelao ny ankizy lahy no handeha kelikely isan’andro ato aoriana, miaraka amin’ivadinao sy ireto biby fiompinao.»

4Nankasitrahin’i Tobia izany hevitra izany, ka hoy i Rafaely taminy: «Mitondrà eo aminao amin’ny aferon-kazandrano, fa misy hilanao an’izany»; dia naka tamin’izany afero izany i Tobia, ary niainga izy ireo.

5Tamin’izany i Anà, nandeha isan’andro, nipetraka teo amoron-dalana, tamin’izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo.

6Raha ilay nitily ny hiavian-janany iny indrindra izy dia indrỳ izy tazany tamy mbola lavitra, ka rehefa fantany dia lasa izy nihazakazaka nilaza tamin’ny lahy nanao hoe: «Indrỳ tamy ny zanakao.»

7I Tobia izany, dia nilazan-dRafaely hoe: «Rehefa tonga any an-trano ianao, ny Tompo Andriamanitrao no tsaohy miaraka amin’izay dia misaora azy, vao manatona an-drainao ianao sy manoroka azy;

8ary hosory faingana amin’ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony, satria fantaro fa hisokatra eo no ho eo ny masony ka hahita ny hazavan’ny lanitra ny rainao, sy ho feno hafaliana amin’ny fahitana anao.»

9Tamin’izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana, nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao, nanafosafo tamin’ny rambony, an-kafaliana fatratra.

10Dia nitsangana ity ray jamba, ka rafitra nihazakazaka, fa tafintohina ny tongony ka noraisin’ny mpanompo anankiray tamin’ny tanany izy handeha hitsena an-janany.

11Nofihininy tamin’ny tanany sy nohorokorohany izy, ary torak’izany koa no nataon’ny vadiny, dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady.

12Nony avy nitsaoka sy nisaotra an’Andriamanitra izy ireo, dia nipetraka.

13Niaraka tamin’izay, nalain’i Tobia ny aferon-kazandrano, ka nohosorany tamin’io ny mason-drainy.

14Niandry sahabo ho antsasak’adiny izy, dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr’atody nanomboka niala avy ao amin’ny masony.

15Noraisin’i Tobia izay, nosintoniny hiala amin’ny mason-drainy, dia nahiratra niaraka tamin’izay izy.

16Koa nisaotra an’Andriamanitra izy ireo, dia izy sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nahalala azy.

17Hoy i Tobia: «Misaotra Anao aho, ry Tompo Andriamanitr’i Israely, fa nofaizinao aho, dia nositraninao indray; ary indro mahita an’i Tobia zanako aho.»

18Hafitoana taorian’izany, dia tonga koa i Sarà sy ny mpanompony rehetra samy salama tsara, mbamin’ny biby fiompiny aman-drameva ary ny vola rehetra tamin’ny fanambadiany, sy ilay naverin’i Gabelosa.

19Notantarain’i Tobia tamin-drainy aman-dreniny ny soa rehetra natolotr’Andriamanitra azy, tamin’ny nataon’ity lehilahy nitari-dalana azy.

20I Akiora sy i Nabata havan’i Tobia koa tonga namangy azy tamin’ny soa rehetra nataon’Andriamanitra taminy.

21Ka niara-nihinana sy nirobiroby fatratra izy ireo, nandritra ny hafitoana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help