Ohabolana 2 - Malagasy Catholic Bible

Ny Fahendrena manafaka amin’ny fiarahana amin’ny ratsy

1Anaka, raha mandray ny teniko ianao,

ary mitana ny didiko ao aminao,

2mampandry sofina tsara hihaino ny fahendrena ianao,

ka mampiròna ny fonao ho amin’ny fahalalana;

3eny, raha miantso ny fahamalinana ianao,

ka manandra-peo amin’ny fahafantarana,

4raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsy ianao,

ka mandalina azy toy ny fihady rakitra;

5dia ho azonao an-tsaina ny fahatahorana an’i Iaveh,

ary ho hitanao amin’izany ny fahalalana an’Andriamanitra.

6Fa i Iaveh no manome ny fahendrena;

avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.

7Mitahiry ny fahasambarana ho an’ny olona mahitsy fo izy,

ary ampinga ho an’izay mandeha amin’ny fahalavorariana.

8Miaro ny sakeli-dalan’ny fahamarinana izy,

miambina ny lalan’izay miraiki-po aminy.

9Amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny,

ary ny hitsiny mbamin’ny lalana rehetra ho amin’ny tsara.

10Rehefa tonga ao am-ponao ny fahendrena,

ka hankafizin’ny fanahinao ny fahaizana,

11dia hitandrina anao ny fisainana,

ary hiambina anao ny fahalalana,

12mba hanafaka anao amin’ny lalan’ny ratsy fanahy,

amin’ny olona manao resaka ratsy,

13amin’izay miala amin’ny lala-mahitsy,

ka mizotra amin’ny lalana maizina;

14ary ny manao ratsy no ifaliany

sy izay faharatsiana mihoa-pampana no iravoravoany;

15sakeli-dalana miolikolika no alehany

ary lalana miolakolaka no ombany;

16hanafaka anao amin’ny vehivavy efa an’ny hafa,

amin’ny vehivavy efa an’olon-kafa izay manao teny mandrobo,

17izay mandao ny naman’ny fahatanorany,

sy manadino ny fanekeny amin’ny Andriamaniny;

18fa efa miraika ho amin’ny fahafatesana izy sy ny tranony,

ary mankany amin’ny afobe ny lalany;

19tsy misy miverina izay rehetra mandeha aminy,

tsy misy mahita ny lalan’ny fiainana intsony na dia iray aza.

20Dia handeha amin’ny lalan’ny olona tsara fanahy ianao,

ary hifikitra amin’ny lalan’ny marina.

21Satria ny olo-mahitsy fo no honina amin’ny tany,

ary ny olo-marina no ho tafatoetra eo.

22Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany,

ary ny mpivadika hongotana hiala eo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help