Salamo 46 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 46 (Volgata 45)Eo amintsika Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira.

2Andriamanitra no arontsika sy herintsika,

famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.

3Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany,

na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,

4na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina,

ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.

5Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan’Andriamanitra;

ny fonenany masina onenan’ny Avo indrindra.

6Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina Izy;

vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.

7Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana;

vao nampandre ny feony Izy dia nihotsaka matahotra ny tany.

8I Iavehn’ny tafika momba antsika;

ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika.

- Selà

9Avia, jereo ny asan’i Iaveh,

dia ny fandravana nataony tetỳ an-tany!

10Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany;

ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny;

ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.

11Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho,

manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany!

12I Iavehn’ny tafika momba antsika;

ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika.

- Selà

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help