Izaia 17 - Malagasy Catholic Bible

Momba an’i Damasa(Jereo Jer 49,23-27; Am 1,3-5)

1Faminaniana ny amin’i Damasa.

Indro fa i Damasa voaesotra tsy ho isan-tanàna intsony;

dia ho korontan-javatra foana izy!

2Ny tanànan’i Aroera ilaozana,

nafoy ho an’ny biby fiompy izy,

ka mijanona ao tsy misy mampiala azy.

3Halana amin’i Efraima ny manda,

ary ny fanjakana amin’i Damasa;

ny sisa amin’i Siria,

ho toy ny voninahitry ny zanak’i Israely,

- teny ton’i Iavehn’ny tafika.

4Izao no hiseho amin’izany andro izany:

ny voninahitr’i Jakôba halazo,

ny tavin’ny tavany hihamahia.

5Amin’izany dia ho toy ny raha manangona ny amboarany ny mpijinja,

sy raha mitango ny salohim-bary ny tanany;

ho tahaka ny raha manangona salohim-bary ny olona,

eny amin’ny lohasahan-dRefaima.

6Mbola hisy hotsimponina ihany izy,

toy ny raha manozongozona ny hazo ôliva

misy ôliva roa na telo eny an-tendrony indrindra,

misy efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo,

- teny ton’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely.

Ho foana ny fanompoan-tsampy

7Amin’izany andro izany

ny olona hijery any amin’Ilay nahary azy,

ary hibanjina ny Masin’i Israely ny masony.

8Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy;

tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany;

dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.

Teny famelezana ny sahan’i Adônisy

9Amin’izany andro izany ny tanànany mafy,

dia ho toy ny tanàna nilaozana eny an’ala aman-tendrombohitra

izay nilaozana teo anoloan’ny zanak’i Israely:

dia ho tany efitra.

10Satria ianao nanadino ny Andriamanitry ny famonjena anao,

tsy nahatsiaro ny Vatolampin’ny herinao.

Koa dia mamboly voly mahafinaritra ianao,

ary foto-boaloboky ny olon-kafa firenena no ataonao ao.

11Amin’ny andro ambolenao azy

dia fefenao manodidina izy,

ary ny ampitso maraina,

dia mampamony ny voa nafafinao ianao;

kanjo tsy azonao ny vokatra

amin’ny andron’ny faharariana amam-pangirifiriana mahafaty!

Fisamboaravoaran’ny firenen-kafa

12Endrey izany fihahohahom-bahoaka be!

Mirohondrohona toy ny firohondrohon’ny ranomasina izy ireo.

firohondrohom-pirenena re izany!

13Mirohondrohona hoatra ny rano mahery izy.

Mirohondrohona ny firenena toy ny firohondrohon’ny ranobe.

Kanjo rahonany ireny, dia mandositra lavitra,

dia tafaely toy ny mololo tsofin’ny rivotra eny an-kavoana,

toy ny vovoka mitambolimbolina eo anoloan’ny tafio-drivotra.

14Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po;

alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny!

Izany no anjaran’ireo mandroba antsika,

izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help