Fahendrena 6 - Malagasy Catholic Bible

2. NY IAVIAN’NY FAHENDRENA, NY TOETRANY, NY ASANY ARY NY FOMBA HAHAZOANA AZYTokony hotadiavin’ny mpifehy rehetra ny fahendrena

1Koa mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara; mihainoa ny fampianarana, ianareo mitsara hatramin’ny faran’ny tany.

2Mampandria sofina, ianareo manapaka ny sarambabem-bahoaka, ianareo mirehareha amin’ny fifehezanareo vahoaka be.

3Fantatro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery, ary ny Avo Indrindra no nanome anareo ny fahefana, dia izy no handinika ny asanareo, sy hizaha toetra ny hevitrareo.

4Noho ianareo izay mpanao raharaha amin’ny fanjakany tsy mbola nitsara ara-drariny, na nitandrina ny lalàna, na nandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra;

5dia hiantefa aminareo Izy mahatsiravina sy tampoka fa fitsarana mafy no hatao amin’izay mandidy.

6Ny madinika, avela heloka amim-pamindram-po, fa ny manam-pahefana kosa faizana mafy.

7Tsy misy olona hihemoran’Ilay Mpanjakan’ny olona rehetra, ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso; fa samy noarîny ny lehibe sy ny kely, ary samy ahîny na ireto na iretsy.

8Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy.

9Koa dia ianareo no hitenenako, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena, ka tsy ho lavo ianareo.

10Izay mitandrina ny lalàna masina, amim-pahamasinana, hohamarinina; ary izay mianatra azy hanan-kavaly.

11Koa aoka hankamaminareo ny teniko; aoka haniry azy ianareo dia hahazo fampianarana.

Manaiky ho hita ny fahendrena

12Ny fahendrena dia mamirapiratra, tsy mety matroka hatsarana; mora mahita azy ny olona raha tia azy izy, ary mora mahazo azy raha mitady.

13Mitsena an’izay mitady azy izy, ary miseho aminy voalohany.

14Izay mifoha maraina koa hitady azy, tsy mananosarotra, fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.

15Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary, ary ny miari-tory noho ny aminy, dia ho afaka ahiahy vetivety;

16mandeha mivezivezy atsy amin’arỳ izy, mitady an’izay mendrika azy, miseho amin’ireny eny an-dalan’izy ireo izy amim-pihavanana, ary manampy azy amin’ny hevitra kasainy rehetra.

17Fa ny fiandohan’ny fahendrena mahatoky dia ny faniriana ny fampianarana.

18Ary ny miahy ny fianarana kosa mitarika ho amin’ny fitiavana, ny fitiavana mampitandrina ny lalàny, ny fitandremana ny lalàny ahazoana antoka ny tsy fahafatesana mandrakizay,

19ary ny tsy fahafatesana mandrakizay ahazoan-toerana eo akaikin’Andriamanitra.

20Noho izany, ny faniriana ny fahendrena, mampahazo fanjakana,

21koa raha maminareo, ry mpanjakan’ny vahoaka, ny seza fiandrianana aman-tehim-panjakana; hajao ny fahendrena mba hanjaka mandrakizay.

Hohazavain’i Salômôna ny fahendrena

22Fa ny hoe inona no fahendrena, ary inona no fiaviany, dia hasehoko izao, ary tsy hafeniko aminareo ny misterin’Andriamanitra. Hatomboko hatrany amin’ny fiandohan’ny nahariana ny zavatra, hasehoko mazava izay rehetra momba azy, ary tsy hivily hiala amin’ny marina aho.

23Lavitra ahy ny hiara-dalana amin’ny fialonana mandevona! fa tsy mba manana anjara amin’ny fahendrena io, na dia kely aza.

24Ny habetsahan’ny hendry dia famonjena ny tany; ary ny mpanjaka hendry dia fanambinana ny vahoakany.

25Koa raiso àry ny fampianarana amin’ny teniko, dia hahita soa amin’izany ianareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help