1Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema;
fa ny fanamiam-boninahitra avy amin’Andriamanitra
tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy.
2Mihodidìna ny kapaotim-pahamarinana avy amin’Andriamanitra,
ataovy eo an-dohanao ny hamamin’ny voninahitr’ilay Mandrakizay.
3Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao,
amin’ny tany rehetra, ambanin’ny lanitra.
4Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao:
Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka.
5Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoanao,
mitazàna miantsinanana,
ka jereo irerỳ zanakao tafavory noho ny tenin’ilay Masina,
hatrany andrefana ka hatrany atsinanana,
miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo.
6Mandeha tongotra no nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo;
fa entina amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao,
hoatra ny seza fiandrianan’ny mpanjaka.
7Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa
rehefa mety ho tendrombohitra avo, amam-batolampy fahagola,
ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hamarin-tampona ny tany,
mba handehanan’i Israely tsy voasembantsembana,
ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.
8Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza,
nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa
noho ny didin’Andriamanitra.
9Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely,
amin’ny fahazavan’ny voninahiny,
hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.
Kôpian’ny taratasy nampitondrain’i Jeremia an’ireo hoentin’ny mpanjakan’ny Babilônianina ho babo any Babilôna, milaza amin’izy ireo ny nasain’Andriamanitra ambara aminy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.